24 janoary 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra Fahatelo Mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 4, 1-20)

Teo amoron-dranomasina no nampianaran’i Jesoa ireto vahoaka, mahakasika ny voa nafafy. Andriamanitra, ny teniny voa nafafy ary isika rehetra tsy ankanavaka no tany amafazana azy, tsy nifidy olona izy fa namfazana daholo, nisy namokatra betsaka, nisy namokatra kely, nisy ny tsy namokatra mihitsy, niakany toetran’ny tany, niakany tamin’ny toetry ny fontsika. Mety ny fontsika donto tsy mahay mihaino ny teny dia tsy namokatra isika. Ka izany teny afafy izany dia noharin’i Izaia mpaminany: “tahaka ny ranonorana aman’oram-panala milatsaka avy any an-danitra ka tsy hiverina any, raha tsy efa nahavonto sy mahalonaka ny tany, sy mampaniry ny zavatra rehetra mitsiry avy aminy, ka mampahazo voa famafy ny mpamafy, ary hanina ho an’ny mpihinana; toy izany koa ny teniko izay aloaky ny vavako, tsy miverina amiko foana izy, fa mahatanteraka izay tiako sy mahatontosa izay namoahako azy” (Iz 55, 3. 10-11).

Mazava araka izany fa tsy ny tenin’Andriamanitra no tsy mamokatra fa ny tany no mety tsy handray ny teny. Ny sakana voalohany tsy hahafahana mandray ny Teny ka tsy mampamokatra azy dia ny tsy fanekena hanaraka izay takian’ny tenin’Andriamanitra, hahafahana manova ny fiainantsika ho amin’ny fiainam-baovao. Ka rehefa tsy manaiky hiova isika, tsy fo nofo fa fo vato. Sarotra ovana satria mitady tany malemy hanorenam-pangady ka mivadibadika, manara-driandrano, mandeha amin’izay heverina hahazoana tombontsoa. Noho izany tsy hitondra voa ihany koa, tsy afaka hanome voa ny mpihinana, na voa afafy ho an’ny mpamafy. Tsy afaka hitondra soa ho an’ny hafa rehefa tsy mamokatra. Ny fanirian’Andriamanitra anefa dia mba hamokatra isika rehetra ary hitondra vokatra ho an’ny hafa ihany koa. Tsy afaka ny hamokatra anefa isika raha tsy vonona hamono ireo faharatsiana ao anatintsika mba hahafahan’ny tenin’Andriamanitra ho velona sy mamokatra ao am-pontsika.

Mifampivavaha àry isika mba ho vonona handray ny teny sy hampamokatra azy eo amin’ny fiainanantsika andavanandro, satria izay no lalana hampamokarana ny fanjakan’Andriamanitra eo anivontsika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...