2 febroary 2024 — Ny nanolorana ny Tompo — Fankalazana manetriketrika — Fahazavana hanilo ny Jentily Izy, sady voninahitr’i Israely olonao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 2, 22-40)

Tamin’izany andro izany,
rehefa tapitra ny andro fidiovana araka ny lalàn’i Môizy,
dia nentin’ny ray aman-dreniny ho any Jerosalema i Jesoa
mba hatolotra amin’ny Tompo,
araka ny voasoratra ao amin’ny lalàn’ny Tompo hoe:

«Ny lahy voalohanteraka rehetra
dia atao hoe masina ho an’ny Tompo»,

ary mba hanatitra fanatitra domohina roa, na zana-boromailala roa,
araka ny voasoratra ao amin’ny Lalan’ny Tompo.
Ary indro nisy lehilahy atao hoe Simeôna tao Jerosalema;
ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany
ka niandry ny fanalana alahelo an’i Israely,
ary tao aminy ny Fanahy Masina,
sady efa nanambaràn’ny Fanahy Masina izy
fa tsy hahita fahafatesana mandrapahitany an’i Kristin’ny Tompo.
Dia nentin’ny Fanahy Masina izy hankao amin’ny Tempoly
ka nony nitondra an’i Jesoa Zazakely ny rainy aman-dreniny
hanao araka ny voadidin’ny Lalàna ny aminy,
dia nitrotro Azy izy,
ka nisaotra an’Andriamanitra nanao hoe:

“Ankehitriny, ry Tompo, vao alefanao am-piadanana
araka ny teninao ny mpanomponao,
fa ny masoko nahita ny famonjena avy aminao,
izay namboarinao teo anatrehan’ny firenena rehetra,
dia fahazavana hanilo ny Jentily sady voninahitr’i Israely olonao”.

Dia gaga ny ray aman-drenin’ny Zaza
noho ny zavatra nolazaina ny aminy.
Ary nitso-drano azy ireo i Simeôna,
ka nilaza tamin’i Maria Renin’ny Zaza hoe:

“Indro ity Zaza ity no voatendry
ho fandavoana sy ho fananganana ny maro amin’i Israely
ary ho famantarana hotoherina,
— ary ny fanahinao aza hotanterahin-tsabatra
— mba hiseho ny hevitry ny fo maro”.

Ary nisy koa mpaminany vavy anankiray,
dia i Anina zanak’i Fanoela, fokon’i Asera;
efa antitra dia antitra izy,
dia fito taona no nanambadiany taorian’ny naha-virjiny azy,
ary efa mpitondratena tokony ho efatra amby valopolo taona,
sady tsy niala tao amin’ny Tempoly,
fa nanompo an’Andriamanitra andro aman’alina
tamin’ny fifadian-kanina sy ny fivavahana.
Tonga koa izy tamin’izany fotoana izany,
ka nidera an’Andriamanitra,
ary nilazalaza ny Zaza
tamin’izay rehetra niandry ny fanavotana an’i Jerosalema.
Ary nony tanterak’izy ireo ny zavatra rehetra
araka ny Lalàn’ny Tompo,
dia nody tany Galilea tao Nazareta tanànany izy.
Ary nitombo sy nihanatanjaka ny Zaza sady feno fahendrena,
ary tao aminy ny fahasoavan’Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...