4 febroary 2024 — Alahady Tsotra fahadimy Mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 29-39)

Fahagagana nataon’i Jesoa no taterin’ny evanjelista Marka amintsika eto. Ny fahagagana no anombohany ny Evanjeliny. Tiana asongadina etoana ny lanjan’ny fahagagana arahana fitoriana ny Vaovao Mahafaly. Manambara ny hatsaram-pon’i Jesoa Kristy, Zanak’Andriamanitra ny fahagagana, hatsaram-po miseho amin’ny alalan’ny fisian’Andriamanitra eo akaikintsika mijaly sy ory ; asaina hanakaiky ireo mila vonjy sy sahirana mandrakariva isika mpianany, ahafahantsika hanome fanantenana azy ireo fa eo akaikiny mandrakariva Andriamanitra fitiavana.

Manambara amintsika ny fiarahan’Andriamanitra amin’i Jesoa Zanany ihany koa ny fahagagana. Ambaran’ny fahagagana fa i Jesoa no Ilay Mesia sy Zanak’Andriamanitra velona, Izy no ilay Mpamonjy antsika ary Mpampianatra. Asain’ny fahagagana àry isika eto, hino Azy sy izay ataony ary izay lazainy. Tsindraindray mijanona amin’ny fahasitranana isika rehefa mitady fahagagana fa tsy tonga any amin’ilay fototr’izany fahagagana izany. Mila mipaka any amin’Andriamanitra isika rehefa mivavaka aminy sy mangataka fahasoavana avy aminy, fa izany no antom-pisiantsika eto an-tany.

Asain’ny Evanjely hanana fisokafana ho an’ny hafa ihany koa isika anio. Misokatra amin’ny hafa isika rehefa mamela an’i Jesoa hanao soa ho an’ny hafa ihany koa ; rehefa mamela Azy hanao fahagagana hatraiza hatraiza. Misokatra amin’ny hafa isika rehefa mifaly amin’ny fahagagana ataon’Andriamanitra amin’ny olon-drehetra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...