10 febroary 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 1-10)

Jesoa Kristy mampianatra an’ireo mpianany hanana fon’ny mpiandry ondry no lazain’i Evanjely eto. Manana fon’ny mpiandry ondry isika mpianany ankehitriny raha mahatsikaritra ny hanoanan’ireo olona anirahan’Andriamanitra antsika. Tsy ampy anefa ny mahatsikaritra fotsiny ny hanoanan’izy ireo, fa zava-dehibe ihany koa ny fiontan’ny fo, ny fangorahana manoloana an’izany.

Toetra tsara mila ananan’ny mpianatra ihany koa ny fitadiavana vahaolana manoloana an’izany. Mila miainga avy amin’ny zava-misy anefa izany, mila am-pandraisana anjara ihany koa ireo ondry andrasana sao zatra mamantam-bonona. Manome lanja ny zavatra ananany sy zava-bitany ihany koa izany. Entina am-bavaka izany ezaka nataon’izy ireo izany ary atolotra an’Andriamanitra ihany koa, fa Izy irery ihany no hampitombo azy ireo araka ny sitrapony. Zarin’i Jesoa hizara ireo mpianany, izany hoe hahafoy fotoana sy hahafoy tena hanompoana ny hafa. Zariny hahay hanome lanja ny sakafo ihany koa ireto mpianany fa tsy manary mandrakariva ny tsy lany tamin’io andro io, indrindra raha mbola azo hanina izany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...