13 febroary 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahenina Mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 14-21)

Rehefa mandeha mitory, ilaina ny miomana amin’ny vatsy, ka na mitondra na mandeha mividy rehefa any an-toerana. Eto izao nitondra ihany ireto mpianatra fa iray monja hany ka tsy ampy ho an’ny rehetra. Izany hoe: nanadino nitondra vatsy izy ireo. Isan’ny mahatonga ny fanadinoana isika maro erehina: vonjena atsy, aleha ny eroa. Enjehina daholo i Babay sy i Lohavohitra, ka tavela ny tena izy. Tratran’izany ireto mpianatr’i Jesoa izay tsy nitondra afa-tsy mofo iray monja tao an-tsambo kely. Saingy tsy maika ny hamasoka azy ireo akory Izy fa nampianatra aloha. Mikasika zavatra hafa mihitsy ny fampianarany ka nampitandrina azy ireo i Jesoa tsy ho azon’ny lalivain’ny Farisianina sy i Heroda. Ny lalivay moa entina mampitombo mofo ka noheverin-dry zareo fa izy no lazainy amin’izany. Ny mpanao ratsy ihany anefa no mahana. Tsy misy idirany akory fa sasanangy samy hafa. Manjary tsy mandeha amin’ny laoniny izay rehetra atao rehefa lasa aloha ny tahotra na koa be loatra. Ny ho bedy no ao an-tsain’izy ireo ka na fampianarana hafa aza no nolazain’i Jesoa dia tsy misy miditra amin’ny sainy izany. Tsy mifankahazo hevitra satria diso fandray zavatra. Moa ve tsy toy izany koa no mahazo antsika indraindray na matetika aza ho an’ny sasany. Hany ka miteraka sakana ho azy na tokony ho tafita aza ny zavatra, satria mamorona hantsana na mampisy fefy lehibe tsy hifanenana. Isan’ny olana izany ao an-tokantrano, eo amin’ny fianakaviana, ny fiaraha-monina, ny fikambanana, aty amin’ny Eglizy, eo amin’ny firenena ka manjary misamatsamaka sy mivakivaky isika ka mipatitaka mihitsy aza na tokony hiombona tsara ka ho iray ihany aza. Ataovy azo tsara aloha izay tian’ny hafa hampitaina alohan’ny hanaovana tsikera izany fa tsy tokony handeha aloha ny tsikera. Ny hevitra tsy azo mantsy mampiazoazo. Tsy mety ny samy miziriziry amin’ny heviny fa mampisaraka. Izao koa, aza malaky mitsaratsara be fahatany, manjary mifanimba fotsiny. Aza maika hamasoka ny hafa ihany koa raha mbola misy azo atao ihany fa aleo mifampiresaka tsara aloha. Soa ihany fa fantatr’i Jesoa ny heviny ka nahazo fampianarana hafa ihany koa ry zareo. Matetika isika iharan’ireto lazain’i Jesoa ireto: “Donto ny fonareo? Mana-maso fa tsy mahita va ianareo? ary manan-tsofina fa tsy mahare? Ary tsy mahatadidy va ianareo?” koa aza maika hanilika hoe: “Ny hafa izany fa tsy izaho”. Fa hevero ho ny tenantsika foana no iantefan’izany. Efa vonton’ny fampianaran’i Jesoa isika izao ka tsy ho donto intsony ny fo, manana maso tena mijery sy mahita tokoa, manan-tsofina handre sy hihaino, ary hahatadidy sy hiaina izay lazaina. Koa milofosa hatrany!

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...