15 febroary 2024 — Alakamisy, manaraka ny Lavenona — Sambatra izay mitandrina ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo marina sy tsara, sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 22-25)

Resaka nifanaovan’i Jesoa sy ny mpianany eto ny Evanjely, mitantara indrindra izay hihatra aminy, hanatontosany ny anton-diany ety an-tany. Fantany fa tsy mora izany fa handalo fijaliana mafy. Tsapany izany. Tsy mijanona amin’ny fijaliana kosa anefa fa tonga hatramin’ny fitsanganan-ko velona. Izany hoe, tsy maintsy mandresy ny sarotra. Tsy nokoboniny ho Azy irery fa naborany tamin’ny mpianany. Akory izany tebitebiny hiatrika izany. Lesona lehibe ho antsika izany rehefa hiatrika ny mafy isika, indrindra moa amin’ny sedram-piainana lalovantsika matetika. Aoka tsy hijanona amin’ilay fijaliana fotsiny ihany fa ho tonga amin’ny fandresena. Marina, mety ho mafy ilay fijaliana fa tsy iny no hampitanondrika fa vao mainka aza hampitraka, ho hery manosika hahazoana ny fandresena, toa Azy Kristy.

Karemy ny andro ka tarihin’ny Eglizy isika hiombona anjara amin’izany fijalian’i Jesoa izany, hanakambana ny antsika amin’ny Azy, amin’izay mandresy miaraka aminy. Mpianany, mpanara-dia Azy koa isika noho ny Batemy noraisintsika ka mizotra amin’ny lalana nombany. Tsy amin’ny mora ihany fa na amin’ny sarotra ihany koa, no maneho fa mpianany isika. Aoka ho tahafintsika Izy. Henoy ny tohiny ilazany azy: “Raha misy te hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny Hazofijaliany isan’andro ka hanaraka Ahy.” Hamonjy antsika no antondiany tety ka izany efa atorony izany ny lalana mankamin’ny famonjena. Azo lazaina koa araka izany fa tsy mandeha ho azy ity famonjena ity fa iaretana io fijaliana io. Miady fidinana ny rano ka mivarina ambany hatrany fa isika kosa toy ny rivotra ka hiady fiakarana ka na mananosarotra aza, tsy hanaiky fa hiakatra hatrany ho tonga any an-danitra tanindrazantsika.

Mialoha izany anefa toa efa miaina ny saritsarin’izany lalana izany amin’izao karemy atrehantsika izao: mitaky famolahan-tena ho afaka hananika ny Paka; ka na hitambolombolona aza ny rivotra tsy hampihontsona antsika izany fa hiakatra hatrany, sanatria ny hiverin-dalana. Mazava eto ny voalazan’i Jesoa: “Izay te hamonjy ny ainy dia hahavery azy, fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko no hahavonjy azy”. Mitaky fahafoizan-tena izany, eny hatramin’ny aina aza hahazoana io famonjena io, ka aoka tsy hiroa fo isika mikatsaka izany fa hiara-misalahy, miara-dia hatrany, hifampitantana ho any amin’ny Paka hizorantsika hatrany an-danitra ho fonenana rahatrizay.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...