16 febroary 2024 — Zoma, manaraka ny Lavenona — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 14-15)

“Nankao amin’i Jesoa ny mpianatr’i Joany”. Ireto mpanara-dia an’i Joany ireto no nankao aminy, nangata-panazavana taminy amin’ny zavatra tsy azony dia ny fomba amam-panao. Mila mankao amin’i Jesoa koa isika mamakivaky ity karemy ity, mba hamokatra. Tsy mety araka izany ny mipetrapetraka any amin’izay misy antsika any fotsiny fa ilaina ny mankao aminy, indrindra amin’izao karemy izao. Aza varivarian’ny lavitra, na voarebirebin’ny manodidina fa aleo mankao aminy re. Ento ny namana sy ny manodidina, miara-dia mankao aminy, fa tsy hiveri-maina rehefa tonga any aminy isika.

Ankoatra izay, ny zavatra tsy azo mampiazoazo ka aleo manontanintany foana hihomehezana toy izay manaonao foana hibedesana. Tonga nanontany an’i Jesoa mikasika ny resaka fifadian-kanina ireto mpianatr’i Joany. Nilaza ny fombany ry zareo sady nampiany hoe: izy sy ny Farisianina: “mifady hanina matetika”, avy eo nanao fampitahana: “fa ny mpianatrao kosa no tsy mba mifady?” Misy amintsika koa manao toy izany: mitana ny fombany ka izay tsy manaraka izany dia tsy mety. Tsy hoe ratsy avokoa rehefa tsy mitovy amin’ny fombantsika fa mety hisy tsara koa any. Heveriny ho toa azy avokoa ny rehetra. Aza terena hitovy amintsika ny hafa e! fa tsy hisy ny fahasamihafana izay harena sarobidy ho antsika raha mitovy avokoa isika rehetra. Koa tsy mety ny mifanaratsy sy mifanimba amin’ny resaka toy izany. Tsarovy fa raha vao nahary izao rehetra izay aza Andriamanitra dia nataony nisy karazany avokoa, eny hatramin’ny olona nataony lahy sy vavy fa tsy hoe lahy na vavy daholo. Natao hifameno sy hifanampy amin’ny lafiny rehetra isika fa tsy hanao salobon-komana na koa tsy hijery afa-tsy ny tena ihany. Rehefa misy olona ankoatra ny tena dia efa hafa izay ka aoka hamantantra tsara io hafa io isika aloha fa tsy ny tenantsika na ny fombantsika ihany no tiana hampanjakaina fa vao mainka aza manakorontana izany raha tokony heverina fa handamina.

Nahazo valin-kafatra tamin’i Jesoa ireto mpianatr’i Joany ireto: “Moa mahazo misaona va ny zanaky ny mpampakatra raha mbola eo aminy ny mpampakatra? Fa mbola ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, ka amin’izay vao hifady hanina izy.” Iza moa ny mpampakatra sy ampiakarina fa tsy i Jesoa sy ny Egliziny ka rehefa nesorina tsy ho eto amintsika intsony Izy Kristy mpampakatra dia mbola notanan’ny Eglizy izany na somary nalefahana aza ny fomba fampiharana izany ankehitriny noho ny zava-misy iainan’ny olona. Ilaina ny fifadian-kanina fa mahasoa ny vatana no maha tsara ihany koa ny fanahintsika ka azontsika tanterahina tsara.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...