22 febroary 2024 — Ny Fiketrahan'i Masindahy Piera Apôstôly — Fankalazana — Ianao no Piera (vato), ary eo ambonin’izany vatotampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 13-19)

Fototra ara-tSoratra Masina maneho ny Fiketrahan’i Masindahy Piera Apôstôly, izany hoe: hery sy fahefana ijoroan’ny Eglizy Katôlika, ankalazaina anio, ity Evanjely rentsika teo ity. ny Papa François, dimbin’i Masindahy Piera no famatarana sy manohy ny iraka niantsoan’i Jesoa azy ankehitriny.

Fa iray tao anatin’ireo Apôstôly roa ambin’ny folo nofidin’i Jesoa, i Piera, nanankinany ny Eglizy, hitana ny fanalahidin’ny fanjakan’ny Lanitra. Tsy noho ny fahaizana amam-pahalalana ananany anefa fa noho ny finoana nambarany: “Ianao no Kristy zanak’Andriamanitra velona”. Fomba nentin’i Jesoa hisehoan’izany finoana Azy izany eto, dia tsy hoe: fitsapana lela ireo mpianatra na koa fitia te hahazo dera amin’ny fahalalan’ny vahoaka Azy; fa fahasahiana kosa hilaza ny marina momba ny Tenany. Ireo mpianatra mantsy dia niara-niaina taminy, nanatri-maso izay rehetra nataony, eny hatramin’ny fahafatesany aza, ary mbola vavolombelon’ny fitsanganany ho velona; fa i Piera ihany no sahy nanambara mazava ny maha voahosotr’Andriamanitra an’i Jesoa, ny maha mpamonjy ny olombelona Azy. Ny manaitra dia hoe: i Piera ihany ve no manana fahasahiana manambara ny momba an’i Jesoa fa ireo sisa dia misalasala avokoa? Ataoko fa tsy izany fa entina ilazana amintsika hoe: ilana fahasahiana ny finoana, ilana fahatapahan-kevitra hiova sy hanova ary eny hatramin’ny maha martiry aza.

Ireo valinteny samihafa, ny fahitan’ny olona an’i Jesoa, araka ny Evanjely rentsika teo, dia mety ho mbola taratry ny finoantsika ankehitriny ihany koa. Mety misy amintsika mandray an’i Kristy ho toy ny olo-malaza fotsiny ihany, toa an-dry Joany Batista, Elia, Jeremia, mampitovy fijery amin’ny hafa fotsiny ihany. Mety hisy hilaza Azy ho toy ny olon’Andriamanitra, sahala amin’ireo mpaminany, miantehitra amin’ny filazan’ny olona. Ny tena finoana dia tsy fialokalofana ao ambadiky ny hafa fa tena fahasahiana hijoro. Koa aoka ny finoantsika ho mafy orina sy tsy ho voahozongozona. Nandray io finoana io isika tamin’ny Batemy fa manana adidy hikolokolo azy, ary ny maty martiry no vavolombelona faratampony amin’ny finoana.

Noho ny finoana nananany no nanomezan’i Kristy adidy an’i Piera, ho andry iankinan’ny Eglizy. Ilazana amintsika fa ny olona azo itokisana ao amin’ny Eglizy, fa indrindra eo anatrehan’Andriamanitra, dia ny olona manam-pinoana, olona mahatoky, tsy mivadika ary tsy mamadika. Koa izay manana andraikitra ao amin’ny Eglizy dia mpiara-miasa sy miombona asa amin’i Piera, hanamafy ny finoan’ny hafa, hampiray ny andian’ondrin’i Kristy ary ho vavolombelon’ny finoana marina, dia ny finoana mitondra antsika rehetra any amin’ny lova mandrakizay.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...