1 marsa 2024 — Zoma, Herinandro Faharoa amin'ny Karemy — Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana; ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 21, 33-43. 45-46)

“Hoesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra ka hafindra amin’ny firenena hampahavokatra azy”. Izany no hataon’Andriamanitra amintsika rehefa tsy mahita vokatra avy amintsika Izy. Fa inona moa no vokatra andrasan’Andriamanitra amintsika? Ny firoboroboan’ny finoana no vokatra andrasany amintsika. Efa niasa Andriamanitra, nikarakara antsika, nametraka ny finoana Azy ao anatintsika: dia teraka teo ny Fiangonana olona, vatan’i Kristy ary vahoakan’Andriamanitra. Tsy vitan’izany fotsiny, fa mba hitomboan’ny finoantsika sy hiroboroboany fatratra dia nikolokolo Izy, nitahy ny olony ka nanorina fiangonana trano (ilay voalaza eto hoe tilikambo) sy nametraka ôtely tao ho fiantsoana ny anarany sy fifonana aminy amin’ny sorona masina (ilay atao hoe famiazam-boaloboka eto). Araka izany, dia efa nokarakarain’Andriamanitra tsara isika, efa nomeny finoana sy fahasoavana.

Fa inona no vokatr’izany eo amin’ny fiainantsika? Namokatra ve? Nitombo ve? Sa mbola ny fitiavan-tena no manjaka ka mahatonga antsika hihevi-tena ho tompon’ny tanimboalobok’Andriamanitra, dia ny vahoakany izany? Maro ireo mpanompon’Andriamanitra efa nirahiny teny anivontsika teny. Koa enga anie mba tsy isika no ilay nikapoka na ilay namono na ilay nitora-bato azy ireny. Fa isaky ny tsy mihaino azy ireny isika dia isan’ny mikapoka azy; isaky ny tsy mikarakara azy ireny isika dia isan’ny mamono azy ary isaky ny manakiana, manome tsiny sy manao teny marary azy ireny isika dia naman’ireo mitora-bato azy. Koa raha tsy mitandrina isika efa mino dia mety hanilika an’Andriamanitra mihitsy sy hanafoana Azy tsy ho eo anivontsika intsony (ilay novonoiny) noho ny tsy fahafantarantsika Azy intsony ao amin’ny zanany; vokatry ny fahazarana fotsiny andavanandro. Aza adinoina anefa fa Andriamanitra akory tsy Andriamanitry ny “efa hatramin’izay” tsy mamokatra (‘zay d’efa katôlika hatram’zay), na Andriamanitry ny “hiringiriny mihitsy” tsy mitombo (‘zay katôlika iringiriny mintsy); fa Andriamanitry ny fihavaozana ho amin’ny tsara mandrakariva; ary afaka manangana tanimboaloboka vaovao sy mpiasa vaovao avy amin’izay heverina ho tsinontsinona sy faniliky ny olona (Vato narian’ny mpanao trano). Izay ilay lazain’i Joany Batista hoe: “Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an’i Abrahama avy amin’ireto vato ireto” (Mt 3, 9).

Koa mba tsy hialàn’ny fahasoavan’Andriamanitra amintsika dia omeo vokatra tsara, asa soa avy amin’ny finoantsika Izy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...