6 marsa 2024 — Alarobia, Herinandro Fahatelo amin'ny Karemy — Sambatra izay mitandrina ny tenin’Andriamanitra, amin’ny fo marina sy tsara, sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 17-19)

Ry kristianina havana! Zavatra roa lehibe no tian’ny Evanjely ampitaina amintsika momba ny fampianaran’i Kristy rentsika teo dia ny momba ny Lalàna sy ny fitandremana ny didy. Manambara mazava i Jesoa amin’ny tapany voalohany fa tsy tonga handrava ny Lalàna Izy fa hanatanteraka aza. Tsy mpandrava i Jesoa fa mpanatanteraka, mpanorina ary manamafy izay efa nisy tany aloha. Mampianatra antsika ny fomba tokony hataontsika Izy ho entintsika miaina ny Lalàna. Ny Jody dia fatra-panaja ny Lalàna ary tsy vitan’ny hoe tandremany fatratra sy hajainy fotsiny ny Lalàna fa arahan’izy ireo ara-bakiteny mihitsy. Eto raha mandinika isika dia milaza i Jesoa fa tsy tonga handrava kanefa indraindray misy zavatra toherin’i Jesoa amin’ny fombafomba sasantsasany iainan’ireo Jody namany ny Lalàna. Ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna matetika no tena mifanohitra aminy amin’izany ohatra hoe ny fanajana ny andro sabata sy fombafomba maro samihafa. Mazava ny tenin’i Jesoa fa tsy handrava Izy fa hanatanteraka. Tsy ny Lalàna efa misy no ravany na namboariny fa ny fomba fiainan’ireo Jody namany azy sy ny fampiharany azy izay tsy mamokatra fitiavana no toheriny. Ny Lalàna dia natao hanafaka fa tsy natao hangeja kanefa dia io fangejana io no hita taratra iainan’ireo lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna jody azy ireo. Ampianarin’i Jesoa isika fa ny fahatanterahan’ny Lalàna dia ny fitiavana. Raha tena hiainantsika ny fitiavana (fitiavana an’Andriamanitra amin’ny fo, saina, fanahy, hery rehetra ary fitiavana ny namana tahaka ny tena) dia foana ny didy aman-dalàna. Izay ange no nahatonga an’i Jesoa nanome antsika ny didim-pitiavana izay mamintina ny didin’Andriamanitra e! Eto i Jesoa dia misarika ny saintsika handeha lavitra ary hanao mihoatra amin’ny fiainana ny tena fitiavana fa tsy hanaraka be fahatany ny Lalàna izay toa fangejana sy toa fombafomba ivelany fotsiny. Mba tena miaina izany fitiavana izany koa ve isika?

Ny tapany faharoa dia tenenin’i Jesoa isika tsy hanova izay efa napetrak’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Moizy mba harahantsika na dia litera iray aza. Matetika manko isika no manitsinitsy “conscience” fotsiny any amin’ny fiainam-pinoantsika na ny fiainam-panahintsika nefa tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra izany na izay takian’ny Lalàna amintsika mba harahantsika. Eo anatrehan’Andriamanitra dia tsy misy azo tsinontsinoavina izany na dia kely sy bitika aza fa manan-danja avokoa. Zava-dehibe loatra noho izany ny fanajantsika ny Teniny ary ny hianantsika azy am-pitiavana araka ny efa voalaza etsy ambony. Izay hampiantra sy hampihatra eo amin’ny fiainany ny Teny hoe i Jesoa dia ho lehibe amin’ny Fanjakan’ny lanitra. Matetika ny kely eo imasontsika no lehibe eo anatrehan’Andriamanitra noho izany miantso antsika i Jesoa hiaina ary hanisy vokany eo amin’ny fiainantsika andavan’andro ny Tenin’Andriamanitra fa tsy hanao tahaka ireo lohandohan’ny mpisorona sy ny Farisianina ireo.

Jesoa Tompo ô! Marani-daniroa ny fampianaranao aminay. Ampio izahay hahay mandray izany ary handinika tsara sy handanjalanja ka haneho ny fiainana an’izany amin’ny fitiavana mandrakariva. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...