23 marsa 2024 — Sabotsy, Herinandro Fahadimy amin'ny Karemy — Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra; amereno ny hafaliana avy amin’ny vonjinao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 11, 45-56)

Ry mpihaino hajaina, hiroso sahady amin’ny Herinandro Masina isika rahampitso, manomboka amin’ny fankalazana ny Sampankazo izany: ahatsiarovana ny nidiran’i Jesoa manetriketrika tao Jerosalema. Nankalazaina sy nohobiana ny nidirany tao fa Izy ilay mpanjaka nandrasana hanavotra ny vahoaka, kanefa vetivety foana koa dia nivadika taminy sy niantsoantso mafy hoe fantsiho fantsiho amin’ny hazofijaliana izy, hoy ny vahoaka. Toetra raiki-tapisaka amintsika olombelona ny toetra mora mivadibadika, tsy maharitra amin’ny teny atao. Hiatrika fijaliana sy fahafatesana i Jesoa. Efa niandry azy ny lohandoham-pisorona sy ny Farisianina: “Dia tsy ho avy hamonjy ny fety ve Izy”. “Tsy mahalala na inona na inona ianareo na tsy mihevitra akory fa tsara ho anareo raha maty ho an’ny vahoaka ny lehilahy anankiray mba tsy ho rava ny firenena manontolo”. Tsy misy hevitra intsony na dia efa ela aza no te hisambotra an’i Jesoa ny olona, hampangaina sy hovonoina hotoraham-bato fa mbola tsy tonga ny fotoana. Nitomany an’i Jerosalema Izy noho ny tsy fibebahany: “raha izay kosa mantsy hianao no mba nahalala izay hampiadana anao… hofongorany hatramin’ny tany mbamin’ny zanakao” (Lk 19, 41. 44). I Jerosalema izay namono ny mpaminany rehetra tao an-tananany noho ny tsy fahalalany fa irak’Andriamanitra izy ireo.

Resy lahatra ny olona rehetra tamin’ny asa rehetra nataon’i Jesoa ka nino azy indrindra ny fahagagana nananganany an’i Lazara ka natahotra ny mpitondra sao hanaraka azy ny vahoaka. Kajikajy pôlitika no antony iray lehibe hamonoana Azy. Mbola mety miseho mandraka ankehitriny koa izany fiarovan-tseza, fiarovam-boninahitra izany ka mety mitarika amin’ny famonoana mihitsy, tahaka ny nahazo an’i Jesoa. Ny fahafatesan’i Jesoa anefa dia hitondra soa ho an’ny olona araka ny faminanian’i Kaifa: “Ho faty ho an’ny firenena i Jesoa ary tsy ho an’ny firenena ihany fa mba hamory ny zanak’Andriamanitra izay efa niely ho antokony iray”.

Ny fiangonana na ny fianakaviana vaovaon’Andriamanitra dia tsy miankina amin’ny fiaviana na firazanana intsony, tahaka ny tamin’ny Testamenta Taloha, fa miankina indrindra amin’ny finoana an’i Jesoa. Ny finoana azy no maha iray ny mpino rehetra sy maha mpirahalahy. Tapitra àry ny karemy, efapolo andro no nanavaozantsika ny maha zanak’Andriamanitra antsika araka ny teny baiko hoe: mibebaha ary minoa ny Evanjely. Vonona ve isika hankalaza ny Paka? Fotoana tsara izay nirosoana tsaratsara kokoa tamin’ny finoana sy ny fitondran-tena tsara.

Ry Ray ô, misaotra ny nanomezanao anay fotoana hanavaozanay ny fiainanay. Misaotra fa afaka niverina ankalalahana izahay ho zanakao. Misaotra fa afaka nibebaka izahay. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...