28 marsa 2024 — Alakamisy Masina — Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo, dia izao: Mifankatiava ianareo, ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 13, 1-15)

Alakamisy masina, fanombohan’ny hatelon’andro amin’ny Paka, hidirana lalindalina kokoa amin’ny fibanjinana ny misterin’ny fijalian’i Jesoa. Fahatsiarovana ny namoronan’ny Eokaristia sy ny nanasany ny tongotr’ireo apôstôly. Mivory amin’ny efitrano iray i Jesoa sy ny apôstôly amin’ny harivan’ny fankalazana ny Paka. Misakafo mankalaza ny paka jody, fahatsiarovana ny fanavotan’Andriamanitra ny vahoaka Israely. Fihinana ny zanak’ondry izay tandindon’ny tenany ihany. Teo amin’ny Jody dia ny mpianatra no manasa ny tongotry ny mpampianatra. Ka ny fihetsik’i Jesoa izay manasa ny tongotry ny mpianany eto dia midika fa nitondra fanaovazana lehibe izy eo amin’ny fifandraisan’ny mpampianatra sy ny mpianany.

Fantany ny fotoana hahatanterahan’ny sitrapon’Andriamanitra Ray izay naniraka azy: ny fijaliany sy ny fahafatesany ary ny hisehoan’ny voninahiny. Tamin’ny alalan’ny fahatongavany ho nofo dia olombelona izy. Nitovy amintsika afa-tsy tamin’ny fahotana, fa nizaka ny fahafatesana toa antsika. Fahafatesana hitodiany any amin’ny Rainy ary hisehoan’ny maha Zanak’Andriamanitra Azy. Ambaran’i Masindahy Joany ao amin’ny Evanjely fa io Iraka nanirahan’ny Ray an’i Kristy io dia vokatry ny fitiavana, nataony am-pitiavana ary endrika hisehoan’ny fitiavana lavorary; hoy izy : “Tsy misy manam-pitiavana lehibe mihoatra noho izay mahafoy ny ainy ho an’ny tiany” (Jn 15, 18). Noporofoiny tamin’ny fanekeny ho faty teo ambonin’ny hazofijaliana izany. Fitiavana tsy misy fetra, miantefa amin’ny taranak’olombelona manotolo amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra. I Jesoa Kristy dia nahalala ny fandaharan’Andriamanitra Ray tamin’ny tenany, ny sitrapony hamonjy ny olombelona sy ny fomba fahatanterahan’izany; eo am-pototry ny andro izay hijaliny izy dia nilaza hoe: “Indro tonga ny fotoana”.

Ny vita batemy rehetra dia irahin’Andriamanitra toa an’i Jesoa hanao ny sitrapony, handray anjara amin’ny famonjena ny olombelon isan’andro. Fa mba hazava amintsika ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fomba entintsika manefa izany dia tsy maintsy miombim-piainana aminy isika amin’ny alalan’ny vavaka. Isan’andro ao anatin’ny vavaka atao dia anontanio izy hoe: Inona no tianao hataoko ary ahoana no fomba hanatanterahako izany mba ho araka ny sitraponao? Ary hitalahoy tsy tapaka ny Fanahy Masina hanazava sy hanilo antsika. Ankoatra ny vavaka dia ny Eokaristia no mandavorary izay fiombonana amin’Andriamanitra izay. Sakramenta naorin’i Jesoa Kristy tamin’izao Alakamisy Masina izao, misy ny vatany aman-drany. Hoy izy tamin’ireo apôstôly: “Raiso ary hano fa vatako ity, ary kalisy misy ny rako”. Ny Eokoristia ihany koa dia fahatsiarovana ny Pakan’i Kristy, fanaovana amin’ny fomba ankehitry ny fijaliany ny fahafatesany ary ny fitsanganany ho velona. Ary nandidiany ireo mpianany nanao hoe: “ Ataovy izao ho fahatsiarovana ahy”. Ka isaky ny mankalaza izany mistery ambony izany isika amin’ny Sorona Masina dia mankalaza an’i Kristy nanolo-tena hijaly, ho faty ary nitsangan-ko velona. Andriamanitra, Zanak’ondry mandatsaka ny Rany manantanteraka ny famonjena eo amin’izao tontolo izao. Ny Eokaristia ihany koa no hitoeran’Andriamanitra tsy tapaka ao amin’ny Eglizy, izay manohy ny asam-pitiavany. Ka ny Eokaristia dia maneo ny fitiavan’Andriamanitra, izay mandray azy dia lasa tena iray aminy ary manova izay mandray azy hitovy amin’ilay noraisiny. Ka ny tanjon’ny Eokaristia dia isika lasa olom-baovao naterak’Andriamanintra hitoeran’ny fitiavany aminy alalan’i Kristy miditra ao anatintsika. Ny Sakramentan’ny Eokaristia dia manova antsika ho olon’ny fitiavana, hanolo-tena toa an’i Jesoa hanaiky ho levona ka hikendry ny soa ho an’ny hafa mandrakariva.

Rehefa vita ny sakafo dia nitsangana i Jesoa, nanasa ny tongotry ny mpianany. Fomba fandraisana olona sy mariky ny fahalalam-pomba teo amin’ny Jody, ary asa fanaon’ny mpanompo. Ka ny fihetsika nataony dia fanaporofoany ny teniny fa: “ Ny zanak’olona dia tsy tonga ho tompoina fa hanompo ary hafoy ny ainy ho fanavotana ny maro” (Mk 10, 45). Ny fanasan-tongotra araka izany famelan’i Kristy ny fiamboniana maha Andriamanitra Azy filatsahany hitovy amin’ny mpanompo kosa: fanetren-tena izany. Toetra mamintina ny fiainany manontolo. Fanetren-tena no nahatongavany teto an-tany tamin’ny alalan’ny fahatongavany ho nofo, fanetren-tena no nanaovany ny asany ary fanetren-tena no nialany teto an-tany dia izy maty teo ambonin’ny hazofijaliana. Nitodika tamin’ny mpianany i Jesoa ary nilaza tamin’izy ireo hoe: “Ianareo samy ianareo ihany koa dia tsy maintsy hifanasa tongotra”, mampirisika ny mpianany i Jesoa fa io no lalana ahafahana manefa ny iraka mba hanantenatsika ny valisoa avy amin’Andriamanitra, satria hoy i Jesoa hoe: “Izay manandra-tena dia hahetry ary izay manetry tena no hasandratra” (Mt 23, 12). Ny fanetren-tena io no lalana ahafahana mifanasoa satria rehefa manetry tena isika dia miaiky ny tsy fahalavorariana, ka manala ny avonavona ary kosa manokatra ny fo handray am-pitiavana ny fanampian’ny hafa. Izay manetry tena ihany no afaka ampiana amin’ny lafin-javatra maro samihafa, na ara-tsaina, na ara-batana na ara-panahy. Hatsaram-panahy sarobidy ny fanetren-tena, angataho amin’Andriamanitra mba ho lasa toetrantsika entina miaina amin’ny fifandraisana Aminy sy ny olombelona.

Zava-dehibe eo amin’ny Egilzy ny Alakamisy Masina satria mamaritra ny maha izy azy teo ny namoron’i Jesoa ny Eokaristia izay “loharano sy ivon’ny fiainana maha kristianina” ary teo koa ny fanasany ny tongotry ny mpianany izay mamaritra ny toe-po entina miaina izay maha kristianina izay. Fa amin’ny alalan’io sakramenta io izy dia te hilaza amintsika fa miditra ao anatintsika izy satria tsy te hisaraka amitsika ary mitarika ny saintsika koa izy fa ny fandraisana ny Eokaristia dia maniraka antsika hanompo, hitondra famonjena ho an’ny hafa sahala amin’ny nanasany ny tongotr’ireo mpianany.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...