13 aprily 2024 — Sabotsy, Herinandro faharoa Fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, Ilay nahary ny zavatra rehetra, ary niantra ny zanak’olombelona — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 16-21)

Nony hariva ny andro,
taorian’ny fampitomboana ny mofo,
dia nidina nankeny amoron-dranomasina ny mpianatr’i Jesoa,
ka niondrana tamin’ny sambo kely
ary nita ny ranomasina ho any Kafarnaôma.
Efa alina ny andro tamin’izay,
nefa tsy mbola tonga teo aminy i Jesoa,
ary nanonja ny ranomasina,
fa nifofofofo mafy ny rivotra.
Rahefa nivoy tokony ho dimy amby roapolo na telopolo stady izy ireo,
dia nahita an’i Jesoa nandeha teny ambony ranomasina
sy nanatona ny sambo kely, ka natahotra.
Fa hoy Izy taminy:

“Izaho ihany fa aza matahotra.”

Dia naniry handray Azy ho eo an-tsambo kely izy ireo,
ka niaraka tamin’izay dia tafatody tamin’ny tany nokasainy haleha ny sambo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...