Alatsinainy 23 marsa 2020 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 4, 43-54 — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho ; satria hatsaram-po no ao amin'ny Tompo, ary fanavotana lehibe.

0 : 00

Ry kristianina havana, nokihanin'i Jesoa mafy ny finoana miankina amin'ny fahitana fahagagana fotsiny. Moa va tsy izany no heverin'ny sasany fa finoana tena izy ankehitriny ? Manenjika dokam-baro-pivavahana etsy sy eroa. Terena hanao fahagagana Andriamanitra, ka izay miendrikendrika fahagagana no heverina ho fivavahana tena marina. Tsarovy anefa fa endrika manoka hisehoan'ny fahasoavana fotsiny ny fahagagana, fa tsy hoe rehefa tsy misy fahagagana dia tsy misy fahasoavana. Andriamanitra rahateo, mistery. Tsy baikon'ny filan'olombelona, fa manana ny fombany sy ny fotoanany Izy. Karemy izao, fanavaozana sy fanamafisana ny fitokisana an'Andriamanitra, fanamafisana ny finoana tsy misy famahony.

Dia toa izany mihitsy ity manam-boninahitra tao amin'ny Evanjely teo. Niangavy amim-pitokiana an'i Jesoa izy, ary tenin'i Jesoa iray ihany dia ampy azy ka nahasitrana ny zanany marary mafy efo ho faty. Nanampy sy nanamafy ny finoany ny tenin'i Jesoa sy ny fahagagana ary ny fahasitranan'ny zanany. Fa tsy hoe nisy fahagagana vao nino izy. Tamin'i Jesoa niteny no sitrana tamin'ny fomba mahagaga ilay marary. Ny marihana koa dia ny hoe izy sy ny mpianakaviny dia nino, izany hoe tsy raharahan'olon-tokana ny finoana fa irahan'ny mpianakvy manana, iainana ao an-tokantrano ary manamasina ny fianakaviana. Kolokoloy ary ny finonan'ny fianakaviana fa sehatra lehibe iainana ny finoana sy hisantarana ny lanitra. Amen

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...