22 aprily 2024 — Alatsinainy, Herinandro fahefatra Fankalazana ny Paka — Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra no katsaho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 1-10)

Tamin’izany andro izany, hoy i Jesoa tamin’ny mpianany:

“Lazaiko marina dia marina aminareo,
fa izay tsy miditra amin’ny vavahady ho amin’ny valan’ondry,
fa mananika amin’ny hafa, dia mpangalatra sy jiolahy;
fa izay miditra amin’ny vavahady no mpiandry ondry.
Ka ny mpiandry vavahady mamoha azy, ny ondry mihaino ny feony,
ary izy miantso ny azy amin’ny anarany avy sy mamoaka azy.
Rahefa tafavoaka avokoa ny azy, dia mialoha izy, ka manaraka azy ny ondry,
satria mahalala ny feony:
ary ny olon-kafa tsy arahiny, fa andosirany,
satria tsy fantany ny feony.”

Nolazain’i Jesoa taminy izany fanoharana izany,
nefa tsy azon’izy ireo izay nolazainy tamin’izany.
Koa hoy indray i Jesoa taminy:

“Lazaiko marina dia marina aminareo fa Izaho no varavaran’ny ondry.
Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako,
fa tsy nihaino azy ny ondry.
Izaho no varavarana.
Raha Izaho no hidiran’ny olona, dia hovonjena izy,
ka hiditra sy hivoaka, sady hahita hanina.
Ny mpangalatra no tonga mba hangalatra sy hamono ary handringana,
fa Izaho no avy kosa dia mba hananan’ny ondry fiainana,
sady hananany azy be dia be.”

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...