24 aprily 2024 — Talata, Herinandro fahefatra Fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava: isika izay navotany tamin’ny Rany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 12, 44-50)

 

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanambara hoe:

“Izay mino Ahy, dia tsy Izaho no inoany,
fa izay naniraka Ahy;
ary izay mahita Ahy, dia mahita izay naniraka Ahy.
Tonga amin’izao tontolo izao ho fahazavana Aho,
mba tsy hitoetra ao anatin’ny maizina izay rehetra mino Ahy.
Ary raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina azy,
dia tsy mitsara azy Aho;
satria tsy hitsara izao tontolo izao no nahatongavako
fa hamonjy azy.
Izay manamavo Ahy ka tsy mandray ny teniko,
misy izay hitsara azy:
dia ny teny voalazako no hitsara azy amin’ny farandro,
satria tsy niteny ho Ahy Aho,
fa ny Ray izay naniraka Ahy
no nandidy izay tsy maintsy holazaiko sy hampianariko.
Ary fantatro fa ny didiny no fiainana mandrakizay.
Koa ny zavatra lazaiko àry,
dia lazaiko araka ny voalazan’ny Ray tamiko.”

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...