28 aprily 2024 — Alahady fahadimy Fankalazana ny Paka — Mitomoera ao amiko, dia hitoetra ao aminareo Aho, hoy ny Tompo; izay mitoetra ao amiko no mamoa be — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 1-8)

Aroso antsika ny foto-kevitra amin’izao alahady fahadimy amin’ny Paka, taona B izao, manao hoe: “Ny tena Apostoly dia matoky, mifankatia, tsy matahotra.” Maneho izany indrindra ny Evanjely henontsika teo: mahakasika ny fanoharan’i Jesoa momba ny foto-boaloboka.

Tsara ho marihina fa manondro ny vahoaka Isrely ny voaloboka ao amin’ny Testamenta Taloha, ilazàna ny fitiavan’Andriamanitra sy ny nifidianany azy manokana teo anatrehan’ny vahoaka hafa ka notantanany sy narovany hatrany izy mandra-pahatongany tany amin’ny tany nampanantenaina. Fa ho an’i Masindahy Joany kosa, manambara ny tenany ho foto-boaloboka i Jesoa ka tsy vahoaka intsony, toy ny taloha fa olona iray. Mazava kokoa izany amin’ireo taratasin’i Masindahy Paoly fa vatan’i Kristy isika ka mandrafitra izany satria mifampirantsam-batana isika rehetra. Nofidin’Andriamanitra tokoa isika ka nataony tonga ho isam-pianakaviany noho ny Batemy noraisintsika ka tantanany sy arovany ihany koa mandra-pahatonga antsika any amin’ny tany nampanantenaina tena izy tokoa, dia ny lanitra izany. Tsy tiany hisy ho very na iray aza. Fanetren-tena lehibe ny an’i Jesoa raha maka ohatra ny foto-boaloboka ho tenany Izy, dia Izy Mpahary mampitaha ny voary ho tenany. Marihina aloha fa betsaka amin’ny voary no fantenany ataony toy izany: Mofo sy Divay (raiso ary hano fa Vatako Ity, raiso ary sotroy fa Rako ity), ny jiro ka ilazany fa fahazavana… Eto àry dia dinihintsika Izy amin’ny maha foto-boaloboka Azy. Ataoko fa tsy kisendrasendra izany fifidianany izany fa efa santantra sahady amin’ny Rany omeny ho antsika, izay azo avy amin’ny divay. Matetika miainga amin’ny zava-misy iainantsika ny fanoharana nentiny mba ho azontsika tsara. Zava-maniry velona, ilaina hahazoana voaloboka, zava-pisotro amin’ny sakafo, maharavoravo ny olona, ho tonga Rany koa aza aty aorina. Midika izany fa velona i Kristy, tokony ho sakafom-panahy haharavoravo antsika ary ho Ra mamelona antsika. Ny ra manambara aina ka tsy ho velona isika raha tsy ao aminy, misotro ny Rany izay raisintsika amin’ny Komonio. Mazava amintsika ny hoe: fati-dra fa ny Azy Kristy kosa omeny ho sotrointsika ny Rany hahavelona antsika, ny Ainy no ivelomantsika. Izany no nahatonga an’i Masindahy Paoly niteny hoe: “Matoa velona aho, dia tsy izaho intsony no velona, fa i Kristy no velona ato anatiko” (Gal 2, 20). I Kristy foto-boaloboka maneho fa tokony miainga eo aminy isika, miandoha, maka Azy ho fototry ny zavatra rehetra, indrindra ny finoana. Izy mantsy Fiandohana ka aoka tsy amin’olon-kafa na zavatra hafa toy ny vola aman-karena na ny voninahitra no hanorenantsika ny finoantsika fa ny Egliziny izany naoriny tamin’i Masindahy Piera.

Ambolena ny voaloboka ka ny Rainy no namboly azy. Maneho izany fa Iraky ny Ray Izy. Isika rantsambatany kosa manambara fa tiany ho fianakavian’Andriamanitra ihany koa isika, hifaningotra aina aminy. Koa aoka hahay hiorina tsara eo aminy fa tsy hivezika atsy sy ary intsony. Tsy tsipolitra antitra na tsaramaso antitra isika ka mora mandrazona fa zanany tiany ka tsy hahafoy Azy.

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...