7 mey 2024 — Talata, Herinandro fahenina Fankalazana ny Paka — Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky, Lahimatoa amin’ny maty, tia anay Ianao sy nanasa ny helokay tamin’ny Ranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 5b-11)

Ambaran’i Jesoa, mialoha sady mazava sahady amin‘ny mpianany ny anton’ny hiakarany any an-danitra, sy ny alahelo aterak’izany fisarahana izany eo amin’izy ireo. “Mahasoa anareo ny handehanako; satria raha tsy mande Aho, dia tsy ho avy aty aminareo ny Mpanafaka alahelo; fa raha mandeha Aho, dia haniraka Azy aty aminareo.” hoy Izy. Io Mpanafaka alahelo hirariny ho an’ny mpianany io no hampianatra sy hampahatsiahy azy ireo ny zavatra rehetra nambarany sy hitarika azy ireo amin’ny marina rehetra momba Azy Jesoa, ary amin’ny farany hahatonga azy ireo ho vavolombelona eo amin’izao tontolo izao. Manampy ny kristianina hiaina ny finoana marina an’i Jesoa sy hampihatra izany amin’ny andavanandrom-piainana ny Fanahy Masina. Kanefa tsy ampy ny hoe mino, fa mila ampamokarina ny finoana, mila havaozina mandrakariva izany ho an’izay mino, ka ny Fanahy Masina izay miasa ao anatin’izay vonona handray Azy, no hahatanteraka izany fihavaozana mitondra vokatra araka an’Andriamanitra izany.

Inona avy ary izany vokatra andrasana amintsika vokatry ny asan’ny Fanahy Masina ao amintsika mino izany? Voalohany dia ny fialana amin’ny fahotana. Araka an’i Masindahy Joany, ny atao hoe manota dia manidy ny fony tsy hino an’i Jesoa Kristy, tsy mandray Azy fa indrindra ny manohitra Azy. Faharoa, ny fifikirana amin’ny Fahamarinana, izany hoe: mino isika fa ny tsara ataontsika, ny asa ataontsika tsilovin’ny Fanahy Masina, dia mitondra antsika mankamin’Andriamanitra, manampy antsika hanatona Azy sy hiombom-piainana tanteraka Aminy; vokatry ny asan’ny Fanahy Masina izany rehetra izany mba hazava ny diantsika, mba hahalalantsika ny sitra-pon’Andriamanitra ary mba tsy hanenjika antsika koa ny feon’ny fieritrerentantsika.

Tsarovy ary fa “izay mandray an’i Kristy ao aminy sy eo amin’ny fiainana dia efa nanala ny tenany tsy handevozim-pahotana sy ny haratsiana ary indrindra ireo manimba ny endrik’Andriamanitra ao aminy, izay ilay maha vavolombelona azy, fa eo koa ny fikatsahana an’Andriamanitra mandrakariva ka miezaka manao ny tsara, izay endriky ny fitiavana iainana. Manam-petra isika, tsy ampy hery, tsy manam-paharetana, koa angataho hatrany ny Fanahy Masina mba hiasa ao anatintsika, haharetantsika manara-dia an’i Kristy.

Jesoa ô, lalan-tsarotra kanefa mitondra any amin’ny hafaliana tonga lafatra no iantsoanao anay. Koa aza avela ho irery mamakivaky ity fiainana ity, fa tohano amin’ny Fanahy Masina dia ho tonga any amin’ny fahasambarana mandrakizay.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...