Sabotsy 28 marsa 2020 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 7, 40-53 — Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena.

0 : 00

Ry kristianina havana, ny samy manam-pahefana ao amin'ny Jody no miady hevitra indray eto, araka ny Evanjely henontsika teo. Tsy mamela ny olona tsy hanana fanapahan-kevitra izany i Jesoa, izany hoe tsy maintsy miteny ny ao am-pony ny olona rehefa i Jesoa no resaka : na homba Azy, na hanohitra Azy. Ao amin'ny Evanjely dia misy ireo mahalala an-tsaina fotsiny ny fiaviany, fa tsy mino : avy any Betlehema, taranak'i Davida... fahalalana an-tsaina izany. Ao ireo nahita ny nataony sy nandre ny fampianarany, kanefa voarahona dia nangina. Ireo vahoka tsy mahay ny lalana, ka lazaina fa voahozona, ireo no nino an'i Jesoa.

Miharihary tokoa eto, fa tsy saina, na hambom-po, na fahaizana no ahafahana manatona an'Andriamanitra fa ny fo misokatra. Tsy izay mahay no masina, fa izay manaiky ny hakeliny ka miantehitra manontolo amin'Andriamanitra. Izany no atao hoe finona, ary izany tokoa i Jesoa teto an-tany. Tsy ny mahay sy ny hendry no nanatona azy, fa ny madinika, ireo mpanota voahilikilika, ny marary sy ny mahantra. Tsy araka ny fomban'olombelona mirenty voninahitra ny fanjakan'Andriamanitra fa amim-pitoniana, amim-pahatsorana. Mistery Andriamanitra, tsy araka izay vinavinain'ny saintsika no isehoany fa hafa. Inona no ataontsika eo anatrehan'izany ? Mivavaka tsy miato hoe : "Ambarao anay ny sitrakao, ry Ray, hotanterahinay". Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...