18 jona 2024 — Talata, Herinandro Tsotra faharaika ambin'ny folo Mandavantaona — Izay mitandrina ny didin’i Kristy, no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 43-48)

Ry havana; ny fitiavana ny fahavalo no ampianarin’ny Evanjely anio. Tsara marihina aloha fa tsy misy mihitsy ao amin’ny Baiboly miteny hoe ankahalao ny fahavalonao; ny fepetra fiarovan-tena no ao, dia ny hoe aza mifandrairay amin’ny tsy mpino fa sao maloto ka tsy afaka mivavaka any an-tempoly. Niitatra loatra ny fanazavana io dia lasa fankahalana no niafarany. Sady tsy mety rahateo ny manangam-pahavalo izany; fifankatiavana no fanjakan’Andriamanitra. Ka tsy izay efa mifankahazo ihany no ifandraisana, tsy izay mifankahalala ihany, fa na aiza na aiza, na amin’iza na amin’iza dia afaka mandrary fihavanana mandrakariva.

Aoka ny hevitra sy ny fihetsik’Andriamanitra no atao modely amin’ny hevitra rehetra sy ny atao rehetra. Ny an’ny olombelona manko dia valifaty, herisetra, fanavakavahana, filan-tombon-tsoa manokana. Isika kosa, aoka ho masina tahaka ny Ray any an-danitra; izany hoe mamela hadisoana, mandefitra lalandava, tia tsy miandry valiny, mihavana amin’ny olona rehtra, tsy manavakavaka. Tsy efantsika irery izany fa mila an’Andriamanitra mihitsy vao vita. Italahoy àry ny Fanahy Masina hanampy antsika mba ho zanaka manaha-dRay tokoa, sy ho zandry manaha-Joky. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...