21 jona 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra faharaika ambin'ny folo Mandavantaona — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 19-23)

Ry havana; mampitandrina antsika i Jesoa momba ireo mety ho sakana tsy hahazoana ny lanitra. Ny harena moa no tena hanafarany antsika. Fa rehefa mety ho sakana dia voaray ao anatin’izany daholo: ny toetra miavona, ny ambom-po diso toerana, ny firehan-kevitra sy ny zavatra hafa. Rehefa mety ho sakana tsy hanjakan’Andriamanitra amintsika dia tsy maintsy ialana. Katsaho kosa ny harena maharitra dia ny fitiavana sy ny fiadanana, ny famindram-po. Misy zava-dalina takina amin’ny finoana ary famonjena mandrakizay no resaka eto. Ny haren’ny tany moa dia manangona no ataony. Ny haren’ny lanitra kosa dia ny mizara sy manome.

Momba ny maso jiron’ny tena kosa; fampitahana miainga amin’ny andavanandro: samy mila jiro daholo rehefa maizina ny andro ary tsy ampy ny masom-batana fotsiny. Toy izany koany ara-panahy: mila ny fahazavan’Andriamanitra isika mba hahita hatrany amin’ny fiainana mandrakizay. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...