1 septambra 2024 — Alahady Tsotra faharoa amby roapolo Mandavantaona — Hanazava ny masom-panahintsika anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika; mba hahalalantsika ny fanantenana niantsoany antsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 1-8a. 14-15. 21-23)

Ry havana; misy fifandroritana matetika eo amin’ny fomban-drazana (kolontsaina, fomba, fady…) sy ny Evanjely. Izany indrindra no adihevitr’i Jesoa sy ny manam-pahefana jody. Momba ny fahadiovana sy ny fisasana no resaka. Iaraha-miaiky fa antoky fahasalamana sy maha olom-banona ny fahadiovana. Fa ny fitsarana miaro fanamelohana na filazana fa fahotana mahafaty kosa ny tsy fanajana izany dia azo lazaina fa tafahoatra.

Faharoa manaraka izany dia mihoatra lavitra noho izany aza ny tenin’i Jesoa manitsy ireo Farisianiana sy mpahay lalàna jody. Ekena fa ilaina ny fahadiovan’ny vatana sy ny tena manontolo, ekena fa tena ilaina ny fahadiovan’ny fitaovana na fitafiana na fitaovam-pihinanana. Fa ny tena ilaina, hoy i Jesoa, dia ny fahadiovan’ny ao anaty, ny fo, ny saina, ny fanahy; izany no tena ilaina madio. Satria ratsy ny madio ivelany tahaka ny fasana fa fihatsaram- belatsihy. Ny fahadiovam-po, ny fitiavana, ny famindram-po no tsy maintsy katsahina indrindra; tsy am-bava sy imolotra fa amin’ny fiainana sy ny atao.

Tonga hatrany amin’ny fivavahana sy ny fifandraisana amin’Andriamanitra aza izany: tsy misy antony inona raha toa ka fombafomba sy endrika ivelany fotsiny ny fivavahana. Lasa ilay fomban’olombelona indray no mibahan-toerana. Mety ho latsaka amin’izany fakam-panahy izany isika raha tsy miezaka miaina ny torohevitry ny Evanjely. Aoka ampifanarahana ny hevitra tsara sy ny teny tsara ary ny fiainana tsara. Fiadiana amin’ny toetra ratsy mahazatra sy fanoherana ny fahotana mba ikolokoloana ny fahadiovam-po no ankasitrahan’Andriamanitra araka ny Salamo 23, Matio 5, 8 hoe izay madio fo no hahita an’Andriamanitra. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...