7 septambra 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra faharoa amby roapolo Mandavantaona — Asehoy ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 1-5)

Ry havana; ady hevitra miverimberina ny resaka sabata, andro fitsaharana satria rarana ny miasa, na ny lanjan’ny entana azo entina sy ny halaviran-dalana azo aleha aza dia voafetra. Nandalo tanimbary i Jesoa sy ny mpianany, dia naka salohim-bary ireto ka nikosoka izany dia nihinana. Voararan’ny lalàna izany, hoy ny mpanora-dalàna sy farisianina, satria mitovy amin’ny mijinja vary ihany. Tsy hoe fitia te handika lalàna ny an’i Jesoa fa te hanavao fomba fiaina; tsy ny lalàna akory no tanjona fa ny famonjena.

Naka ny tantaran’i Davida mpanjaka (1 Samoela 21,1-7) i Jesoa entiny nanazavana izany. Rehefa voatohintohina ny aina dia tsy maintsy ampandeferina aloha ny lalàna. Noana i Davida nefa avy nandeha lavitra dia nihinana ny mofo voahasina satria ny aina no ambony. Mofo voahasina voatokana ho an’ny mpisorona tsy azon’olon-drehetra hanina aza nohanina rehefa noana, mainka fa ny vary tsotra eny an-tsaha foto-tsakafo. Hajaina ny maha andro fitsaharana ny sabata fa azo atao tsara mihitsy ny mikarakara ny momba ny tena, ny sakafo, ny fahadiovana, ny fanaovana asa soa sy famonjena. Tsy ny lalàna manko no tanjona fa ny aina, ny famonjena. Androm-pamonjena ny andron’ny Tompo.

Any amin’ny andininy hafa any i Jesoa dia milaza hoe tsy tonga handrava ny lalàna fa hanatanteraka. Ka ilay manatanteraka dia mitondra fanazavana, manitsy izay nadika vilana, manentina izay madilana ary manazava ny hevitr’Andriamanitra ao anatin’ireny lalàna ireny. Ary ilay maha Zanak’olona an’i Jesoa dia manambara ilay fahefana ananany sy maha Tompo azy, Tompon’ny sabata, Tompon’ny lalàna. Aoka ho sarotiny amin’ny fanajana ny andron’ny Tompo isika fa i Jesoa no manome ohatra. Satria santarina eto an-tany ny lanitra. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...