10 septambra 2024 — Tatala, Herinandro Tsotra fahatelo amby roapolo Mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 12-19)

Rentsika tamin’ny fiantombohan’ny Evanjely teo fa nankany an-tendrombohitra i Jesoa mba hivavaka, ary naharitra nivavaka tamin’Andriamanitra nandritra ny alina. Fanehoan’i Jesoa ny fifandraisany amin’Andriamanitra Rainy ny vavaka. Fa etsy an-kilan’izay koa dia fiainany, ary Izy Jesoa mihitsy no vavaka, fa isaky ny misy zava-dehibe na fanapahan-kevitra horaisiny dia mitokana mivavaka Izy. Ny fisafidianana ny Apôstôly roa ambin’ny folo eto no fanapahan-kevitra lehibe nirosoan’i Jesoa. Fanapahan-kevitra fototra ho an’ny fiainan’ny Fiangonana ho avy, ary dia nialohavan’ny alim-bavaka iray manontolo nataon’i Jesoa, tao amin’ny mangingina, teo anatrehan’Andriamanitra Rainy. Ilazana amintsika àry izany fa isaky ny misy fanapahan-kevitra ho raisina, dia ilaina ny mitodika amin’Andriamanitra ary manankina Aminy mialoha izay zavatra atao.

Nanao ahoana ny Vavaka Nampianarin’ny Tompo? Ny oha-piainan’i Jesoa dia mitarika antsika hieritreritra fa tsy maintsy ho vavaka feno fahatokiana ny Ray izany, fialana tanteraka amin’ny fikatsahana izay sitrapon’ny tena fotsiny: “tsy ny sitrapoko no tadiaviko, fa ny sitrapon’izay naniraka Ahy”, hoy i Jesoa (Joany 5, 30), ny fiombonana tanteraka amin’ny asam-pamonjeny. Io vavaka maharitra sy lalina ary tsy tapaka io ihany no ahafahan'ny Tompo mahazo hery sy fahazavana. Vavaka tohanan'ny asan'ny Fanahy Masina, izay efa teo amin'ny fotoana nahatongavany ho nofo, nidina teo Aminy nandritra ny nanaovana batemy Azy. Ilaina amin’ny fanohizana ny asa fankatoavany ny Ray mba hanatanterahana ny asa fanompoana ataony ho famonjena ny olona.

“Ary nony maraina ny andro, dia niantso ny mpianany Izy ka nifidy roa ambin’ny folo lahy tamin’izy ireo ka nanao azy hoe Apostoly”.

Nisafidy ny apostoly roa ambin’ny folo lahy i Jesoa. Mampiseho amintsika ity fisafidianana nataon’i Jesoa ity fa ny Fiangonana vao teraka no vokatr’izany vavaka izany. An’i Jesoa amin’ny Ray ao amin’ny Fanahy, ary izany dia asan’ny Trinite Masina mihitsy. Hoy indrindra i Masindahy Cyrille avy any Aleksandria hoe: “I Kristy mihitsy no manamafy ny hanankina amin'ireo apostoly ny iraka noraisiny tamin'ny Ray”.

Enga anie ny fiainantsika kristianina manontolo, amin’ny maha mpianatr’i Kristy antsika, mba ho ho vonton’ny vavaka sy hanitatra izany mandrakariva.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...