11 septambra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahatelo amby roapolo Mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 20-26)

Asehon’i Jesoa amintsika eto amin’ity Evanjely ity ny hoe aiza no ahitana ny tena fahasambarana marina? Ny fahasambarana eto, araka ny nosoratan’i Masindahy Lioka, dia fahasambarana miaraka amin’ny ranomason’ireo izay tsy manaiky ny hafatry ny fanavotana, fa raha tsy izany dia manidy ny tenany ao amin’ny fiainana mahazaka tena sy tia tena izy. Amin’ny alalan’ny hasambarana sy ny ranomaso no nampiharin’i Jesoa ny foto-pampianaran’ny lalana roa: dia ny lalan’ny fiainana sy ny lalan’ny fahafatesana. Ka izay tsy mandroso mankany amin'ny fiainana dia mizotra mankany amin'ny fahafatesana, izay tsy manaraka ny mazava dia miaina ao amin'ny haizina mandrakariva.

“Sambatra ianareo mahantra, fa anareo ny fanjakan’Andriamanitra.” Io fahasambarana io no fototry ny fahasambarana hafa rehetra, satria izay mahantra dia ho afaka handray ny Fanjakan’Andriamanitra ho fanomezana. Izay mahantra dia hahatsapa izay tokony hampahanoana sy hampangetaheta: tsy ny harena ara-nofo, fa ny Tenin’Andriamanitra; tsy amin'ny hery, fa amin'ny rariny sy ny fitiavana. Izay mahantra dia hitomany manoloana ny fijalian’izao tontolo izao. Fa izay mahantra dia hahafantatra fa ny hareny rehetra dia Andriamanitra. Fa tsy hanana ny rariny eo imason’izao tontolo izao izy ary hohenjehiny aza.

“Fa loza ho anareo, ry mpanankarena: fa manana ny fahafaham-ponareo ianareo!” Io fitarainana io ihany koa no fototry ny manaraka rehetra, satria izay manan-karena sy mahavita tena, ka tsy mahay mametraka ny hareny amin’ny fanompoana ny hafa, dia manidy ny tenany ao anatin’ny fitiavan-tena ary ho vontom-pahoriana.

Enga anie Andriamanitra hanafaka antsika amin’izany fifikirana amin’ny harena sy fampanantenan’izao fiaina-mandalo izao izany. Enga anie Andriamanitra tsy hamela antsika ho afa-po amin’ny fiderana sy fandokafana manodoka ataon’ny olombelona, ​​izay manankina ny fony ho ivon’ny voninahitr’izao tontolo izao fa tsy an’i Jesoa Kristy. Hoy indrindra i Masindahy Basile hoe: “Izay tia ny namany tahaka ny tenany dia tsy hanangona zavatra tsy ilaina izay mety ho ilain’ny hafa”.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...