26 septambra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana amin’ny Evanjely — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 7-9)

Nanaitra an’i Heroda mpanjaka ny lazan’i Jesoa Kristy tao amin’ny tanàna nanjakany. Liana dia liana izy amin’ireo tantaran’olona mahakasika an’i Jesoa ary naniry fatratra ny hahita Azy. Dingam-pinoana mila ataontsika kristianina avokoa io nataon’i Heroda io: liana mandrakariva mahakasika ny tantaran’i Jesoa ary maniry fatratra ny hihaona aminy ao amin’ny Teniny sy ao amin’ireo Sakramenta (Fampihavanana sy Eokaristia), maniry ny hihaona aminy amin’ny hafa indrindra ireo mahantra.

Tsy tomombana anefa io dingam-pinoana io raha tsy miafara amin’ny fiekena an’i Kristy ho Tompo, ilay Mesia sady Zanak’Andriamanitra. dingana miafara amin’ny fihainoana ny hafany sy fanatanterahana Azy ary amin’ny alalan’ny fanarahan-dia Azy. Indrisy anefa fa tsy nanao an’io dingana io velively i Heroda sy izay rehetra haka tahaka an’ity mpanjaka ity satria fahalalana nilainy hamonoany an’i Jesoa Kristy izany; fahalalana notadiaviny fatratra homeny an’i Pilaty ahafahana mamono an’i Jesoa, nampihena ny lazany sy nampietry ny voninahiny teo amin’ny tany sy ny fanjakana niadidiany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...