28 septambra 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 44b-45)

Mety an’isan’ireo kristianina tsy mahazo ny tian’i Jesoa Kristy lazaina sy matahotra ny mametra-panontaniana ireo votoan’ny finoana kristianina isika. Zary lasa kristianina mpanara-drenirano fotsiny no iantsoana antsika raha izany no misy sy mitranga. Mila manana fahasahiana manontany ny finoantsika isika. Fanontanina manambara ny fahavononantsika handalina azy bebe kokoa izany. Asaina hanontany azy amin’Andriamanitra na amin’ireo olona nanankinany antsika hitarika sy hanampy antsika amin’ny làlan’ny finoana.

Amin’ny sehatra rehetra eo amin’ny finoana anefa no mila iompanan’ny fanontaniantsika fa tsy sehatra tokana fotsiny ihany ka ireo mahafalifaly ihany ohatra no kitihina. Lesona azontsika hatsaraina ny hakanosan’ny apôstôly tsy sahy nametra-panontaniana rehefa niresaka mahakasika ny hijaliany sy ny hahafatesany i Jesoa Kristy. Manasa antsika hanara-dia an’i Kristy hamakivaky ny fijaliana hahatongavana amin’ny voninahitra anefa ny fahafantarana bebe kokoa ny finoantsika fa tsy mijanona amin’ny fahalalana fe fahalalana fotsiny ihany. Noho izany, hanampy be dia be antsika hananana fahavononana hanara-dia an’i Kristy na amin’ny mora na amin’ny sarotra ny fametrahantsika fanontaniana aminy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...