11 ôktôbra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana tamin’ny Evanjely — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 15-26)

[audo src="/images/sounds/evj-20241011.mp3" background="#0099ffff"]

Demony moana moa no noroahin'i Jesoa mialoha ny Evanjely rentsika teo. Niteraka ady hevitra maro io fanasitranana nataony io, henontsika teo ny ny vahoaka nitolagaga nahita ilay moana niteny, ny tsy tia sy ny mpanohitra, nialona sy tsy nahay nankasitraka fa hoe: endrika mampiharihary ny maha Mesia an'i Jesoa, ny fahefana ananany mandroaka Demony.

Ho an'i Jesoa, fa indrindra atorony antsika ankehitriny, dia hoe, matoa ny Demony voaroaka dia efa eo anivontsika, tonga aty amintsika ny fanjakan’Andriamanitra. Tonga niaraka Taminy ny fetran’ny ratsy sy ny asany rehetra. Ilay Mahery no indro tonga eo anivontsika. Ady atrehina isan’andro io ho antsika kristianina, mba hanadiovantsika ny fontsika, fonenan’Andriamanitra. Haharetantsika amin’ny finoana sy hahatafita antsika hatramin’ny farany.

Ny mety ho zava-misy, ambaran'i Kristy anefa dia hoe: “Mahita ny trano voadio ny Demony dia manampy hery hafa, ary miditra miverina ao indray”. Ilazana amintsika izany fa tsy indray maka eo amin’ny fiainana akory ny fibebahana, tsy ampy ny mikônfesy indray mande isan-taona, araka ny didin’ny Eglizy, ary ny fiainana kristianina tsy fakana aina na fiaretana izay midona, fa ady ara-panahy, ady hanalavitra ny ratsy. Ny fiombonantsika tanteraka sy maharitra amin'ilay Mahery, amin'ilay Andriamanitra Mahefa ny zavatra, no ananantsika filaminana, ananantsika fiarovana manoloana ny Demony sy ny asany. Io fiombonam-piainana amin’Andriamanitra io no mitondra antsika hiambina ny fanahintsika isan’andro, ary hifanampy amin’ireo manodidina antsika handresy ny ratsy.

Tsarovy àry fa ny fandroahan'i Jesoa ny Demony dia hanome antsika ny tena fiainana manoloana ireo fangejana maro manjo antsika. Izy irery ihany no tena Mpanafaka antsika amin’ny ratsy. Koa meteza hafahany mba hananantsika ny tena fahasambarana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...