25 ôktôbra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 54-59)

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Raha vao mahita rahona avy any andrefana ianareo, dia manao hoe:
‘Ho avy ny orana’, ka avy tokoa izy;
ary raha renareo avy atsimo ny rivotra, dia hoy ianareo:
‘Hafana ny andro’, ka tonga tokoa izany.
Ry mpihatsaravelatsihy,
hainareo fantarina ny toetry ny lanitra sy ny tany,
ka ahoana àry no tsy ahafantaranareo izao andro diavintsika izao?
Nahoana koa no tsy amantaran’ny tenanareo izay marina?
Fa raha miara-mandeha amin’izay manana ady aminao ianao hanatrika ny mpitsara,
dia ataovy izay hahafahanao aminy raha mbola eny an-dalana ianareo,
fandrao tongany any amin’ny mpitsara ianao ka atolotry ny mpitsara amin’ny mpamatotra,
ary alatsaky ny mpamatotra an-tranomaizina.
Lazaiko aminao fa tsy ho afaka ao ianao ambara-pahaloanao ny variraiventy farany indrindra.”

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...