19 desambra 2024 — Herinandro mialoha ny Noely — Ry ilay Atsinanana fibaliakan’ny hazavana mandrakizay sy masoandron’ny fahamarinana, avia ary omeo an’ireo izay mandry ao amin’ny haizina sy ny aloky ny fahafatesana ny hazavana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 5-25)

Tao anatin’ny fianakaviam-be nisy an’i Maria, renin’i Jesoa dia nisy zava-nitranga hafa ihany koa, tao amin’i Zakaria sy Elizabeta vadiny. Samy marina teo imason’Andriamanitra izy mivady, sady nitondra tena tsy nanan-tsiny tamin’ny didy sy ny tenin’ny Tompo rehetra. Fakan-tahaka ho an’ny mpivady kristianina ny azy mivady ireto ka antsoy izy ireo raha misy manahirana amin’ny fanambadianareo. Fanampin’izany, taranaka mpisorona I Elizabeta, vadin’i Zakaria mpisorona. Kanefa tsy niteraka fa momba i Elizabeta, ary efa samy zokiolona ihany izy mivady. Fahafaham-baraka mantsy ny tsy fananana zanaka. Toe-javatra mety hitranga ny hoe izay manao ny raharahan’Andriamanitra misy sakantsakana foana, indraindray aza itondrana henatra amin’ny fiaraha-monina mihitsy, toa ny nahazo azy mivady eto. Nitondra am-bavaka izany efa ela ihany i Zakaria ka tamin’izao vao nohenoina ny fangatahany satria misy fotoanany avy ny zavattra rehetra. Aza terena Andriamanitra hamaly haingana ny fangatahantsika, fa Ray tia sy mahalala izay mahasoa antsika Izy. I Jesoa hateraky ny tovovavy virjiny fa i Joany kosa ateraky ny momba sady antitra, hialoha lalana ny voalohany, ho tehina mialoha andriana izy amin’izany. Koa na inona na inona anjara toerantsika ao amin’ny Eglizy dia raiso an-kafaliana fa mandrafitra io Eglizy vatan’i Kristy io isika fa samy manana ny manandrify azy avy.

Nambaran’Andriamanitra tamin’i Zakaria teo ampanaovana ny raharahany ny zava-hitranga aminy. Natahotra sy nisalasala izy tamin’izany ka nitady porofo; hany ka lasa moana izy, ilay ho rain’ilay mpiantsoantso any an’efitra, ilay mpanambara an’i Jesoa. Lalana nizoran’ny kinasan’Andriamanitra izany ho famonjena antsika. Tsy hoe nandeha ho azy amin’izao fa tao ny nanahirana, sady isika olombelona koa moa mila porofo foana matetika ka ilazana aza fa tsy mino maty raha tsy avy mandevina. Asan’Andriamanitra ihany koa ny antsika eo amin’ny sehatra ikatrohantsika ka aza matahotra izany, indrindra raha mandalo sedra indraindray. Aoka isika hitodika any aminy foana fa niantso sy naniraka antsika Izy. Matokia azy fa Izy hanambina antsika hatrany. Tandremo sao kivy amin’ny olana manjo satria tsy avelan’Andriamanitra ho very momoka ny fangatahantsika raha miantehitra aminy tokoa isika. Aoka isika hanao toa an’i Elizabeta hoe: “Izao no nataon’ny Tompo tamiko, tamin’ny andro nitsinjovany ahy hahafa-tondro-maso ahy amin’ny olona.”

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...