10 marsa 2025 — Alatsinainy, Herinandro Voalohany amin'ny Karemy — Aza manamafy fo ianareo anio, aoka hihaino ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 31-46)

Fantantsika loatra hoe ny fitsarana farany no asongadin’i Masindahy Matio amin’ity Evanjely ity. Fotoana hiavian’i Kristy am-boninahitra, ary fotoana koa hanavahany ny marina sy ny tsy marina ny Zanak’olona, toy ny mpiandry ondry, hanavaka ny ondry amin’ny osy. Ny fiavian’ny Zanak’olona am-boninahitra, hotronin’ireo Anjely, hipetraka amin’ny zeza fiandrianany no hisehoan’ny fahataperan’izao tontolo izao. Hifaranan’ny ny eto an-tany. Samy voakasik’izany avokoa ny manana aina rehetra, fa isika olombelona kosa dia natao hiomana amin’izany.

Amin’izany fotoana izany no handraisantsika ny valin’ny asantsika, ny nataontsika, ny fiainantsika teto an-tany. Ny marina handray ny valisoa, noho izy iero namoky ny noana, nandray ireo vahiny, nampiakanjo ireo tsy nitafy, ary namangy ireo marary sy tany an-tranomaizina. Ireo no nosoavina ka hiditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Ary ny tsy marina kosa, ireo tsy mba nanampy na namonjy ny hafa, dia hovoahozona ka ho any amin’ny fijaliana mandrakizay.

Ny tena zava-dehibe sy tokony hotsarovana mandrakariva, indrindra ho antsika mino an’Andriamanitra, dia ny fisian’i Jesoa teo anivontsika, Izy miseho amin’ny endrik’ireo madinika, ireo ory sy mijaly miandrandra fitiavana sy fangorahana amintsika. “Izay natao na tsy natao tamin’izy ireny dia tamiko, hoy I Jesoa, no niharan’izany.” Fepetra hitsarana antsika, fa koa hanomanana ny fitsenana an’i Kristy ho avy am-boninahitra, handray antsika araka ny nataontsika, io fitiavana ireo madinika io.

Asongadin’ity Evanjely ity, ny maha zava-dehibe ny fitiavana asehontsika, ny fahaiza-mangoraka fa indrindra ny fiantrana an’ireo marefo, miandrandra fitiavana, miandrandra vonjy. Tsy amin’ny finoana ihany akory “tsy izay miantso hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra” no itsarana antsika fa amin’ny alalan’ireo asa fitiava-namana, ahatsapan’ireo mijaly ny fitiavan’Andriamanitra azy fa eo koa ny fanampiana ataontsika an’ireo hafa natolotr’Andriamanitra antsika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...