Alahady 10 mey 2020 — Alahady fahadimy amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 1-12 — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo ; tsy misy olona mankany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalako.

0 : 00

Tsy hoe akory, alahady misy fahoriana ity alahady faha-5 amin'ny Paka ity satria Evanjely fahenontsika rehefa misy absoty matetika ity nalahatry ny Fiangonana ity, fa alahady hanamafisan’ny Fiangonana ny fahatokisana sy finoana an’i Kristy ilay nandresy ny fahafatesana, ilay Lalana, Fahamarinana ary Fiainana. Matetika mantsy isika manao tahaka an’i Tômà sy i Filipo eto, toa manaraka an’i Kristy nefa tsy mahafantatra Azy akory, toa tsy matoky sy tsy mino nefa efa ilazana sy hanambarana miharihary izao.

Hamafisin’i Kristy àry eto ny maha Izy azy sy ny fiombonany ao amin’ny Ray. Izy no lalana tokony ho diavina sy hizorana mandrakariva mba hankanesana any amin’ilay toerana efa omaniny ho antsika, ny lalana mantsy raha tsy diavina matetika dia maniry bozaka no hiafarany, izany hoe “hadino” mihitsy, koa mba tsy hohadinoina áry i Kristy dia Izy mihitsy no manentana antsika tahaka ny nanetanany ireto mpianany ireto : “Lazaiko marina aminareo fa izay mino Ahy, dia hanao ny asa ataoko koa, ary hanao mihoatra noho izany aza izy !”. Koa eo anatrehan’ny fahasarotanan’ny fiainana ankehitriny àry ; manoloana ny tsy fahitana izay lalana hombàna dia banjino i Kristy fa izy no lalana tokana azo antoka.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...