Alarobia 13 mey 2020 — Herinandro fahadimy amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 1-8 — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy.

0 : 00

Ny fanoharana momba ny foto-boaloboka moa ao amin’ny Baiboly, indrindra ao amin’ny Evanjely dia efa lovan-tsofina entina hanambarana ny fitiavan’Andriamanitra ny vahoakany, ka eto i Kristy dia milaza ny tenany ho foto-boaloboka, izany hoe tena “Irak’Andriamanitra” - “Vahoakan’Andriamanitra” ary manantena ireo mpianany mba hitoetra sy hamoa ao Aminy.

Ny firaiketana amin’i Kristy fototra tokoa no mahavelona ny mpianany, ny kristianina, satria raha tsy i Kristy, tsy misy kristianina, koa marina sady rariny ny hanentanany ny mpianany mba hitoetra ao Aminy mba hampahavelona sy hampamokatra azy. Fanoharana ihany ny foto-boaloboka sy ny sampany fa isika mihitsy no tian’i Kristy hifikitra Aminy, ka anisan’ny hanehoana izany fiombonana Aminy ao amin’ny Eokaristia sy ny fandraisana ny teniny ary ny fiainana azy mba hampahavokatra ny finoana efa ananatsika. Izay tsy mino sy tsy mifikitra Aminy tokoa mantsy dia efa voarantsana ka misaraka Aminy sahady ary tsy mamokatra na inona na inona. Koa tadidio àry ilay tenin’i Md Paoly hoe “Rantsambatan’i Kristy avokoa isika !”.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...