Alatsinainy 18 mey 2020 — Herinandro fahenina amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 26 — 16, 4 — Natsangan'Andriamanitra ho velona i Kristy, Ilay nahantona tamin'ny Hazofijaliana noho isika.

0 : 00

Hiatrika fiainana feno fanenjehana sy fankahalana ny mpianatr’i Jesoa ka mankahery azy ireo Izy. Noho izany, ialain’izy ireo ny hery entiny miatrika izany. Ny Fanahy Masina no hankahery azy ireo. Fanahy Fahamarinana na Mpanafaka alahelo no anarana hanambarana azy eto. Ny fakahalana na ny fanenjehana dia avy amin’izao tontolo izao ; satria fiainam-baovao no atolotr’i Jesoa hiainany, fiainana izay mifanohitra tanteraka ny iainan’izao tontolo izao. Fiainana tsy maintsy hiainana sy ho torina manerana izao tontolo izao mba hitondra famonjena sy hanova endrika azy ho araka ny sitrapon’Andriamanitra.

Efa mampiomana sahady àry i Jesoa ny hanjo azy ireo noho izany fijoroana ho vavolombelon’ny fiainanm-baovao omen’i Jesoa an’izao tontolo izao izany. Ny antony dia satria mba tsy hivena ny finoan’izy ireo rehefa tonga ny fanenjehana. Ny vokatry ny fankahalana dia ny fandroahana tsy ho an’isan’ny fikambanana intsony ankoatra ny famoizana hatramin’ny aina. I Jesoa moa no efa voahenjika mialoha satria teo amin’ny fiaraha-monina jody, tsy te hino ireo fa Izy Jesoa no Iraky ny Ray hitondra famonjena. Ny tena fitiavana dia io famoizana ny aina io ; vidiana lafo io fitiavana an’i Jesoa sy ny Fiangonany io.

Eto àry ireo Mpianatr’i Jesoa no ho ohatra ho antsika amin’ny fitiavana ny Fiangonana. Ireo nandray ny Fanomezana fito omen’ny Fanahy Masina dia tsy maintsy mijoro ho vavolombelon’ny finoana. Tsy Fanahy osa fa Fanahy mahery no nomena antsika. Isika manana ny santatry ny Fanahy ao anatintsika tamin’ny alalan’ny Batemy, afaka mijoro sy miaro ny finoantsika. Amin’izao andro iainantsika izao angamaba tsy misy ny famonoana mivatana sy ny fahafoizana ny rà fa ny fijoroana amin’ny finoana no tena zava-dehibe. Tsy hisy hampatahotra antsika amin’izany satria i Jesoa ihany no nilaza hoe : "Matokia fa efa nandresy an’izao tontolo izao Aho".

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...