Alakamisy 28 mey 2020 — Herinandro fahafito amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 17, 20-26 — Raha niara-nitsangana tamin'i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony amin'izay itoeran'i Kristy eo ankavanan'Andriamanitra no katsaho.

0 : 00

Ry kristianina Havana, ny tapany fahatelo amin’ilay vavak’i Kristy Mpisorona no ambaran’ny Evanjely. Raha nampahatsiahy tao amin’ny vavaka i Kristy ny maha-iray Azy sy ny Ray, ny tokony haha iray ny mpianatra izay manara-dia azy koa, amin’ity andro ity dia mitodika koa amin’ireo taonjato maro hovakivakian’ny tantaram-pamonjena Izy. “Tsy ho azy ireo ihany no angatahiko fa ho an’ireo izay hino ahy noho ny teniny koa”, hoy Izy tao amin’ny Evanjely.

Miha mivelatra ny fomba fijery eto satria miitatra hatramin’ireo izay handray ny teny sy ny fitoriana ataon’ny mpianatra sy ny Eglizy ny hafatra. Asongadin’i Kristy amin’ity vavaka ity ilay misterim-piombonana maha iray ny Ray sy Izy Tenany. Io no votoatim-pampianarana nambaran’i Kristy sy iriny hampitain’ireo mpianatra manara-dia Azy. Tian’i Jesoa hiombona amin’io firaisana lavorary io ny mpianatra sy ireo hino ny fampianaran’izy ireo.

Hitantsika anefa ankehitriny fa na ny foto-pampianaran’ny samy kristianina aza samy hafa ary mety misy mifanohitra mihitsy aza. Ny irin’i Kristy anefa dia ny firaisana sy ny fiombonana tanteraka. Enga anie ny asa imasoan’ny Eglizy ankehitriny hampiombona antsika samy isika sy hampiombona antsika amin’Izy Ray. Ny fiainana ny fitiavana izay atoron’i Kristy antsika no mahatonga antsika ho iray ao amin’ny Fiombonana lavorary. Amen!

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...