Sabotsy 13 jona 2020 — Herinandro faha-10 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 33-37 — Araikao amin'ny fanambaranao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka haneika ahy.

0 : 00

Tsy mena-mivadika toa andro ririnina ny olona amin'ny teniny, tsikaritra izany amin'ny toerana rehetra : na any an-trano, na any am-piasana, na eny an-dalambe, na any anaty fiara fitateram-bahoaka any, indrindra hatramin'izay nampirongatra ny teknôlôjia toy ny téléphone sy ny sisa... dia izay indrindra no nahatonga ilay fitenenana hoe mpitari-bato vilam-bava satria hafa ny lazain'ny vava, hafa anefa ny atao. Hafa no lazaina androany, hafa no ambara rahampitso. Rariny ny Ntaolo raha niteny hoe fisaka ny marina ka saro-tadiavina. Toetra isan'ny manavanana ny olombelona ny mivadibadi-dresaka, indrindra rehefa tsy atrehi-maso. Misy aza mihianina mihitsy mba entina hanamarinana ny lainga tsy marina.

Aharihanrin'i Jesoa izany androany, tamin'ny mpianany : "Efa renareo fa voalaza hoe aza mianiana tsy to, fa izaho kosa milaza aminareo, tsy hianiana akory". Ny lesona azo tsoahina dia hoe, aoka isika hitana ny teny nomena, araka ny volazan'i Jesoa hatrany hatrany hoe : "Aoka ny teninareo ho eny, dia eny. Tsia, dia tsia". Ny an'Andriamanitra mantsy dia eny mandrakariva, ka isika koa tokony ho zanaka taha-dray hanao eny amin'ny tsara, ary hanao tsia amin'ny ratsy. Ny mpino kristianina mahatana izany no atao hoe kristianina manana hazon-damosina. Jesoa Tompo ô, tsy miafina aminao ny toetranay olombelona, koa enga anie tsy hitsahatra hidera anao ny fonay na maraina na hariva, fa ny fahamarinanao dia mandrakizay. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...