Alatsinainy 22 jona 2020 — Herinandro faha-12 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 1-5 — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao ary tariho ho amin'ny fahamarinanao aho.

0 : 00

Ao anatin’ny toriteny nataon’i Jesoa teny an-tendrombohitra ity Evanjely, nambara tamintsika teo ity ; mampianatra ny mpianany Izy mba hahaizan’izy ireo mitondra tena indrindra manoloana ny hafa, ka tsy hitsaratsarana befahatany. Ny fahaiza-mitondra-tena mantsy no hahalalan’izao tontolo izao fa mpianatr'i Kristy tokoa izy ireo.

Andriamanitra izay mahita sy mahalala ny fo no mpitsara marina ary isika rehetra tsy misy afa-milaza hoe tsy manan-tsiny eo anatrehany fa mpanota avokoa ka tsy tokony hitsara ny hafa na oviana na ovina. Io no hilazan’i Kristy ny mpianany hoe : “aza mitsara mba tsy ho tsaraina ianareo”. Tsy anjarantsika velively ny mitsara na manameloka. Koa raha mahita ny hadisoana na kilema mpahazo ny hafa isika dia tokony ahatsiaro tena ho mpanota aloha ary haniry ny indrafon’Andriamanitra ho azy aveo. Ny fombantsika manoloana ny hafa ihany no atao antsika eo anatrehan’Andriamanitra. Isika olombelona dia mihevi-tena ho marina, tsy manan-tsiny mahita ny kileman’ny hafa. Fa i Kristy kosa mampianatra antsika hahatsapa tena ho mpanota ka hibebaba amin’izany. Fa lalana mitondra antsika ho amin’ny fibebahana ny fahitana ny hadisoan’ny hafa ary maniraka antsika ihany koa hiandrandra ny indrafon’Andriamanitra. I Kristy no naneho izany tamintsika, tamin’Izy nangataka tamin’ny Ray mba hamela ny hadisoan’ireo namono Azy : “Ray ô, avelao ny helony fa tsy fantany izay ataony”.

Koa raha te haneho ny maha kristianina na ny maha mpivavaka antsika isika dia mila mahay mitondra tena, tsy handany andro amin’ny fitsikerana na fanamelohana ny hafa fa hahatsiaro tena mandrakariva ho mpanota ary hifanampy mba handresena ny toetra ratsy mahazatra.

Jesoa ô, ampianarinao izahay mba tsy hitsaratsara foana ny namanay, tsy ho faly mahita ny hadalana ataony fa samy mba hahatsapa tena ho tsy marina sy mpanota ka hiezaka hiala amin’izany ; koa ny Fanahinao fahendrena sy fahazavan-tsaina anie hitantana anay hatrany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...