Alarobia 15 jolay 2020 — Herinandro faha-15 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 25-27 — Misaotra Anao Aho, ry Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin'ny madinika ny tsiambaratelon'ny Fanjakanao.

0 : 00

Raha nihaino sy nanaraka tsara isika dia nahatsapa fa tohin'ny Evanjely nambaran'ny Fiangonana omaly ity anio ity, izay toa manindrona an-kolaka ireo mpiavonavona tsy mandray ny Evanjelin'i Kristy ka ambarany mazava ho be saina sy miana-kendry. Mivavaka i Jesoa, ary avantany any amin'Andriamantra Ray izany vavaka izany. Vavaka feno fankasitrahana, nefa mifono hevitra fampandinihana, indrindra ho an'ireo mihevvitra ny tenany ho ambony noho ny hafa, ireo tsy mba mihaino ny feon'ny madinika.

Matetika tokoa eny anivon'ny fiaraha-monina eny, toa tsy fantatr'ireo olona mpiavonavona : manao ny tenany ho mahay noho ny hafa, manao kely tsy mba mamindro, mametraka ny tenany ho zavatra ; ny fisian'ity Andriamanitra ity. Koa i Kristy no mampahafantatra Azy amin'ny alalan'ny vavaka ataony. Ny mahantra sy ny madinika, ny tso-po sy ny manetry tena no antom-pisian'Andriamanitra. Noporofoin'i Kristy izany tamin'ny nifidianany ny Apôstôliny, ary izy ireo indrindra no antsoiny hoe "tso-po". Hatsaram-panahy akafizin'i Kristy indrindra izany "fanetren-tena" izany, ka asehony miharihary fa nafenin'Andriamanitra tamin'ireo mpiavonavona ny Evanjeliny, fa nambarany tamin'ny tso-po kosa.

Manoloana ity vavak'i Kristy, sady mifono fananarana ity àry, dia meteza isika mba ho mpanetry tena sy ho tso-po koa, ka ho mendrika ny hanehoan'i Kristy ny voninahitra azony tamin'ny Ray. Dia i Masindahy Bonaventure izay tsaroan'ny Fiangonana anio anie hanamafy izany hatsaram-panahy mahay manetry tena izany ao anatintsika ka "ho vitsy teny", nefa faly lalandava ao am-po isika ; tsy be resaka, nefa mandinika ireo fanomezan'Andriamanitra, zarain'ny Fanahy Masina araka ny torohevitra omeny, ary koa ahatsapa ny zara soa omen'Andriamanitra antsika isan'andro.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...