Alatsinainy 21 septambra 2020 — Masindahy Matio, Apôstôly, Evanjelista — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 9-13 — Midera Anao izahay, ry Andriamanitra, ary manaiky fa Ianao no Tompo. Ny antokon’ny Apôstôly be voninahitra dia midera Anao, Tompo.

0 : 00

Misy tenin’i Jesoa manao hoe : “Tsy ianareo no mifidy Ahy fa Izaho no mifidy anareo sy maniraka anareo”. Eto i Jesoa, nahita an’i Matio nipetraka teo am-pamorian-ketra, ary dia niantso azy hanaraka Azy. Navelan’i Matio teo ny asany, lasa izy nanaraka an’i Jesoa. Noho io asa nataon’i Matio io, izay manome tombon-tsoa ho an’ny Rômana mpanjanan-tany dia nosakajian’ireo Farisianina ho mpanota izy, olona ailika tsy azo iraisa-monina. Noho izany, tsy mendrika hiraisana latabatra. Teo amin’ny latabatra fandraisana hetra àry izy no nantsoin’i Jesoa hanaraka Azy ary dia tonga iray latabatra Taminy tao an-tranony, nifampizara ny manta sy ny masaka, niaraka tamin’ny pôblikana sy ny mpanota maro. Tsy ny toe-piainana no mari-drefy hiantsoana ho mpianatra hitory ny Vaovao Mahafaly fa ny Fahasoavan’Andriamanitra. Mifidy izay tiany Andriamanitra ; manan-karem-pahasoavana Izy, afaka manova ny fiainan’ny olona ho amin’ny tsara.

Asehon’i Jesoa amin’ny fihetsiny sy amin’ny teniny eo afovoan’ireto olona mahantra am-panahy ireto fa tonga Izy hanafaka, hamaha ny fatoran’ny fahotana satria Izy ihany no milaza fa tsy tonga ho an’ny olo-marina fa ho an’ny mpanota ; tonga haneho fa ny maha Andriamanitra an’Andriamanitra dia noho Izy Mpamindra fo. Koa ireo olona ailiky ny fiaraha-monina noho izy heverina ho mpanota no averin’i Jesoa amin’ny fahamendrehana maha olona azy, averiny amin’ny maha endrik’Andriamanitra nahariana azy hatrany am-piandohana ; endrik’Andriamanitra izay simban’ny fahotana. Isika rehetra no mpanota mila famonjena, mila ny fitiavan’Andriamanitra hameno ny fiainantsika.

Nanana ny anjara toerana lehibe àry i Masindahy Matio nanoratra ny Evanjely ho antsika satria io Evanjely io no mandavorary ny fiainantsika, io no manome tsiro mahatonga ny fiainantsika ho toy ny fanasina, io no mahatonga ny fiainantsika ho fahazavana. Rehefa raisintsika ho tena fiaianana ny Evanjely, dia isika mihitsy amin’izay no tena fanasina sy hazavana amin’ny olona rehetra mifanerasera amintsika. Amen !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...