Talata 06 ôktôbra 2020 — Herinandro faha-27 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 38-42 — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao.

0 : 00

Ry kristianina havana, teboka roa no tiana hifampizarana amintsika miainga amin’ny Vaovao Mahafaly androany.

Voalohany, ilaina ny mahay mandray olona. Koa ataoko fa samy endrika hanehoana izany fandraisana olona izany na ny nataon’i Maria na ny nataon’i Marta. I Maria niresaka, ary I Marta nikarakara sakafo. Efa mampianatra antsika mianakavy sahady izany mba hahay handray olona any amin’ny sehatra maro samihafa misy antsika any : na ara-panjakana, na ara-piangonana, na amin’ny sehatra tsy miankina na amin’ny fianakaviana. Anisan’ny fanajana tena sy fanajana ny maha olona io ka aza atao ambikambin-javatra. Mampieritreritra ihany anie ny mahita ireo mandray olona kanefa mianjonanjona, miavonavona, mikitakita, mijery saranga na fitafiana. Aretim-pitondran-tena izany ka mitsaboa tena amin’izany.

Faharoa, i Jesoa anefa eto amin’ity Evanjely ity dia midera manokana ny fihetsika nataon’i Maria noho izy nametraka ho lohalaharana ny anjara toeran’Andriamanitra sy ny Teniny. Mampianatra antsika mianakavy izay hoe aoka ho tsaroana mandrakariva Andriamanitra mialohan’ny hanomboan-javatra iray : vao mifoha, mialohan’ny hianatra, mialohan’ny hiasa, mialohan’ny fanorenana trano... Amin’ireny fankalazana tsingerin-taona ireny ohatra, na dia manao izay mety mihitsy aza isika amin’ny fikarakarana sakafo, maivana eo anatrehan’Andriamanitra izany raha tsy nentina am-bavaka. Ny tokony natao, indrindra amin’ny toerana misy lamesa dia niara-nisaotra an’Andriamanitra aloha, avy eo vao mitohy amin’ny fifampizarana hafaliana. Tena misy heviny lalina izany. Ohatra ihany moa iny, fa ny tena tiana lazaina dia hoe : aoka tsy ho lany andro amin’ny ambikambin-javatra, fa tsara jerena mandrakariva ny manan-danja sy ny zava-dehibe tsy azo ialàna. Sady fahotana ihany koa anie ny fandaniam-potoana sy ny resaka kivalavala.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...