Alakamisy 08 ôktôbra 2020 — Herinandro faha-27 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 5-13 — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho.

0 : 00

Ry kristianina havana, ny Evanjelin’i Masindahy Lioka toko faha-11 no novakiana tamintsika teo, mampianatra antsika hoe : mangataha, dony, ary mitadiava ny Tompo satria izay mangataka no homena, izay mitady no hahita ary izay mandona no hovahana, hoy i Jesoa teo. Raha jerentsika anefa ao amin’ny Evanjelin’i Masindahy Matio 6, 8 dia milaza amintsika hoe : “na mbola tsy mangataka aminy aza ianareo, fantatry ny Rainareo izay ilainareo”. Tsy mifanohitra akory ny voalazan’ny Vaovao Mahafaly fa ny tiana hambara dia hoe mahalala ny mahasoa antsika Andriamanitra, mahalala ny atao Izy. Eto aza anie dia lazainy mihitsy hoe : “koa ianareo na dia ratsy toy inona aza, mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo izay any an-danitra no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy”.

Fa na izany na tsy izany aza, ilay kiakiakantsika misandratra any Aminy, ilay masontsika mitodika any Aminy : io no ilainy. Tsy maintsy maneho ireo fihetsika ireo isika : mangataka, mandona, mitady. Tsy mahazo reraka ny amin’izany isika satria ny fanaovana lemozy dia mariky ny fitokisana. Andriamanitra akory tsy sahala amin’ny « bouton » ka hoe vao tsindriana dia misy eo no ho eo. Toetsain’ny olona ao anatin’ny tontolon’ny numérique ankehitriny izany. Fa Andriamanitra, miasa ao anatin’ny fotoana. Tandremo àry sao maika tsy faingana ka mitady vahaolana hafa ivelan’Andriamanitra, hivavaka amin’ny olombelona ary hanompo andriamanitra tsy izy no iafarany. Manàna fitokisana Azy na dia mafy aza ny ady atrehina. Tsarovy mandrakariva ilay tenin-drazantsika manao hoe: “Andriamanitra tsy andrin’ny hafa andriko ihany”.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...