Alahady 08 nôvambra 2020 — Alahady faha-32 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 25, 1-13 — Miambena sy mivonòna ianareo fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona.

0 : 00

Ry kristianina havana ! Ankatoky ny faran’ny taona litorjika isika, koa miompana amin’ny farandro na ny fahataperan’izao tontolo izao koa ny fanentanan’ny Tenin’Andriamanitra amintsika. Fanoharana no entin’i Jesoa mampiomana antsika ho vonona amin’izany ; indrindra ho vonona hitsena ny Tompo amin’ny andro hiverenany. Fampianarana mahakasika ny amin’ny faran’izao tontolo izao ka hiverenan’ny Tompo moa ity momba ny virjiny adala sy virjiny hendry ity. Roa no tanjona kendren’i Jesoa amin’io fanoharana io : voalohany dia mamelona fanantenana ho antsika fa mbola hiverina ny Tompo na dia tsy fantatra aza ny fotoana, ny faharoa dia manoro antsika ny tokony hatao, ny toetra sy ny fiomanana eo am-piandrasana sy fandraisana izany fahatongavany izany. Matetika tokoa manko isika no manadino ny tokony hatao eo amin’izany fiandrasana izany ka tsy manao ireo adidy maha kristianina antsika, tsy manatanteraka ny andraikitra maha iraka antsika noho ny batemy noraisintsika, manjehy ny andro ho lava ka mangataka andro ka tsy mitsinjo ny farany. Aza adinoina fa misy farany ny zavatra rehetra ataontsika. Ny tena zava-dehibe izany dia ny fahavononana mandrakariva. Fitenintsika ny hoe lehilahy izay mahafaka ny tampoka kanefa aoka ho tsapa tsy misy ohatra ny manana ny vonona sy ny vonona mandrakariva amin’izay rehetra atao sy miandry.

Ny mahakasika ny hoe maha adala na ny maha hendry kosa indray dia tsy toy ilay any amin’ny fiainana andavanandro fahitantsika any. Ny adala tian’i Jesoa faritana eto dia ireo tsy mba malina, ireo tsy mba miomana, ireo manjehy ny andro ho lava ary ireo tsy mitsinjo ny farany. Ny hendry kosa dia mitovy amin’ireo efa noharin’i Jesoa amin’ny lehilahy hendry nanorina ny tranony teo ambony vatolampy. Izany hoe, ireo manorina ny fiainany amin’ny Tenin’Andriamanitra, ireo mampifanaraka ny fiainany amin’ny fampianarana hitarihan’ny Eglizy azy, ireo miaina ny sakramenta noraisiny : izany no solika fiandry, ary fiomanana tsara atao mba ho vonona mandrakariva. Mazava àry ny tenin’i Kristy fa tsy fantatra ny andro ka aoka isika ho vonona mandrakariva. Miorena amin’ny finoana ary hiaino io finoana io fa io no solika mampaharitra ny jirontsika mirehitra foana mandram-pahatongan’ny Tompo miverina ka hitsenantsika Azy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...