Zoma 13 nôvambra 2020 — Herinandro faha-32 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 26-37 — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fa amin’ny asany rehetra.

0 : 00

Ry kristianina havana ! Koa satria efa mamaraparana ny taona litorjika ny Eglizy dia misarika ny saintsika hitodika any amin’ny farany koa ny Tenin’Andriamanitra. Izay niantomboka tsy maintsy misy fiafarany. Etsy an-danin’izany moa ny dian’i Jesoa koa, araka ny voalaza teto tamin’ny alarobia dia miroso makany Jerosalema ; izany hoe efa manatona ny fiafaran’ny diany eto an-tany koa i Jesoa ka izany koa no antony hiresahany momba ny faran’izao tontolo izao. Isaky ny misy fiafaran-javatra iray dia toa manambara filazana sy fampitandremana amintsika izany : raha misy filazana fahafatesana na filazana manjo, na ihany koa faharavan-javatra vokatry ny afo... dia toa miteny amintsika izany fa manam-petra ary marefo ihany isika sy ny manodidina antsika ary izao rehetra hita maso izao. Raha misy tondra-drano mahafaty olona maro na ihany koa lozam-piarakodia mety ahafatesana olona maro amin’ny fianakaviana iray dia toa manaitra ny saina sy ny fontsika izany hoe manao ahoana koa izany ny fiafarako, na hoe toy izao izany ny fiafaran’ity olona na ity taranaka ity. Miantso antsika ary i Jesoa hibanjina mandrakariva ny farany fa tsy ampoizina io. Isika toa varina amin’ny fiainana andavanandro eny foana ka tsy mba mieritreritra an’izany mihitsy. Ohatra telo no entin’i Jesoa mampisaina antsika eto ; ohatra telo efa nisy tany aloha tany ara-tantara : ny safo-drano, ny faharavan’i Sôdôma tamin’ny andron’ny Lôta ary ny faharavan’ny tanàna tamin’ny alalan’ny afo sy solifara nilatsaka avy any an-danitra. Ny fiainana anie mandeha foana. Ny zava-misy iainantsika ankehitriny izao dia io valan’aretina Covid-19 io izay mamono olona maro be hatramin’izao. Toa fambara zavatra ho an’izao tontolo izao izany. Na inona anefa fepetra apetraka hisorohana izany dia ny fiainana fiainana ihany : miasa mitady vola, mivarotra, mampaka-bady, miteraka... Manoloana izany àry dia aoka isika hitsinjo ny farany mandrakariva.

Amin’izany fotoana izany àry, izay tsy mbola fantatsika ny fotoana marina sy ny andro dia manamafy hatrany ny tokony hananantsika fahavononana hiatrika izany. Tsy misy mihitsy fotoana tokony ho very na dia iray segondra monja aza. Ny zavatra hiseho amin’izany manko dia maneho amintsika avy hatrany fa tsy hanana fotoana hanaovana an’izao sy izao intsony isika fa izay tsy vita any dia any aloha. Manokana dia manokana ny famonjena ka jereo ny tenanao ary mivonona mandrakariva mba tsy hanampoka anao izany fotoana izany. Mivonona satria ny fotoana rehetra dia toa mamaritra izany farany izany avokoa.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...