Sabotsy 28 nôvambra 2020 — Herinandro faha-34 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 34-36 — Miambena ary mivavaha mandrakariva, mba ho mendrika hitsangana hiseho eo anoloan’ny Zanak’Olona ianareo.

0 : 00

Mampianatra ny mpianany hahalala onona na amin’ny fihinana na amin’ny fisotro ary ny fiahiana izao fiainana izao i Jesoa. Tsy maintsy miady amin’ny endriky ny fakam-panahy isan-karazany izay manara-dia Azy. Raha variana amin’ny fihinanana sy ny fisotroana ary ny fiahiana izao fiainana izao ny fo amam-panahy dia hanadino ny lanitra sy fahasambarana atolony. Tsy maintsy atodika any amin’Andriamanitra ny fo amam-panahy. Mbola mitombona hatrany ny fanentanana sy ny fampianarana ataony na dia amin’izao androntsika izao aza. Maro ny manadino na tsy mahalala na minia tsy mahalala ny fiainana ampanantenainy ka variana miondrika amin’ny tany.

Fomba fitenin’i Jesoa any ho any ny hoe : “Miambena sy mivavaha fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora hiavian’ny Zanak’olona”. Lazainy tany aloha koa fa ho “ankona foana ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay loza hanjo izao tontolo izao, fa hiozongozona ny herin’ny lanitra. Dia ho hita amin’izay ny Zanak’olona avy any ambonin’ny rahona amim-pahefana sy voninahitra lehibe”. Mila fahavononana ny fitsenana izany zava-miseho izany. Ny olona miandrandra ny lanitra sy mivavaka fa tsy miondrika amin’ny tany no olona manana fahavononana hisedra izany. Koa manafatra i Jesoa mba hivavaka lalandava ; vavaka feno fahatokisana an’Andriamanitra feno fanetren-tena sy faharetana. Tsy misy mahasolo ny vavaka eo amin’ny fiainana satria io no ahafahana mifandray amin’Andriamanitra loharanon’ny soa rehetra. Raha eto amin’ny Evanjely, ny vavaka no ahafahana miala amin’ny loza rehetra. Na i Jesoa aza teo anatrehan’ny sarotra dia nivavaka ary nitaona ny mpianany hanam-paharetana hivavaka. Noho izany ny vavaka no anovozana ny hery rehetra entintsika miatrika ny fiainantsika. Amen !

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...