Sabotsy 12 desambra 2020 — Herinandro faharoa amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 17, 10-13 — Akaiky ny andron’ny Tompo, indro Izy fa ho avy hamonjy antsika.

0 : 00

Rehefa avy nanatrika ny fiovan’i Jesoa tarehy tany an-tendrombohitra i Piera sy i Jakoba ary I Joany dia miaraka midina avy any. Tsy nijanona tany araka ny fanirian’ireo hoe ndao hanao lay telo dia hijanona aty. Tsy maintsy toriana mantsy ny Vaovao Mahafaly ary tsy maintsy mitohy ny fampianarana. Fa, eny an-dalana no manararaotra manontany an’i Jesoa ny mpianatra ary dia mamaly an’ireo am-pitiavana Izy. Efa misy fampianarana tiana hifampizana ao anatin’izay. Voalohany, manontania rehefa misy zavatra tsy mazava amin’ny fiainam-pinoana, sao mantsy dia lasa miankahankevitra na hoe lasa minomino foana. Mifono mistery mantsy izy io. Any amin’ny toerana iray izay aza efa hainy mbola anontaniany ihany satria te haka toky tsara izy. Raha fitsapatsapana kosa ngamba mety tsy izy. Fa, ny tiana hambara dia hoe rehefa tena tsy mazava dia aleo manontany mandrakariva : manatona petra akaiky anao na namana afaka mitondra valim-panontaniana. Faharoa, mampianatra antsika ihany koa eto hoe : omeo valinteny mahafa-po ny olona mila fanampiana aminao fa aza omena valy boraingina, toy ny hoe izany ve dia tsy hay, izany ve dia tsy fantatra... Ianao no mahalala dia atoroy am-pitiavana izy.

Izay iny, fa handeha hojerentsika ny votoatin’ny fampianaran’i Jesoa. Araka ny lovam-panahin’i Israely (Malakia 2, 23) dia tsy maintsy ho avy tokoa i Elia hanomana ny fiavian’i Mesia amin’ny fampibebahana sy fampivondronana ny olona. Dia hoy i Jesoa eto hoe : tsy maintsy ho avy tokoa izy ary hanavao ny zavatra rehetra. Nefa lazaiko aminareo fa efa tonga izy ka nanaovan’ny olona izay sitraky ny fony. Raha tsorina dia hoe ny asan’i Elia andrasan’ireo anie ka efa ataon’i Joany Batista, izay tsy inona fa ny mitory ny batemim-pibebahana. Saingy tsy fantany akory i Joany hoy i Jesoa. Ny antony dia satria malain-kino ary mbola matoritory sy variana ireo, ary mety ho sahy hiteny mihitsy aza hoe tsy ianao no andrasanay fa mangina. Koa, ny tiana hotsoahina dia izao : raiso am-pitiavana ny fampianaran’ireo mitarika anao amin’ny finoana fa aza misafidifidy olona. Ny tena olana eto mantsy, na dia efa manao izay ho afany aza i Joany Batista dia mbola olona hafa ihany no andrasany. Dikan’izay, amin’ny fiainam-pinoana, aza miteny hoe ranona no mety amiko dia izy ihany, ka na efa miteny sy manoro zavatra tsara noho iny aza ity olona iray dia tsy raharahiana akory. Ny Elia sy Joany Batista mitory fibebahana ankehitriny dia ny Fiangonana, koa maneke àry atoro sy tantanan’ny Fiangonana mandrakariva.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...