Alahady 3 janoary 2021 — Ny nisehoan'ny Tompo na Epifania — Efa nahita ny kintany tany Atsinanana izahay, ka nankaty mba hitsaoka ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 2, 1-12

 

0 : 00

Mankalaza ny Epifania ny Eglizy amin’izao Alahady izao, na ny fisehoan’i Jesoa Zazakely tamin’ireo Majy izay tonga hitsaoka Azy.

Rehefa nambaran’ireo Majy tamin’i Herôda mpanjaka fa misy mpanjaka vao teraka ao Betilehema dia natahotra izy satria ho very ny fahefany ary nandray izany ho mpifaninana aminy, izany hoe fahavalo. I Jesoa anefa tonga teto an-tany tsy tahaka ny mpanjaka mihitsy, satria Izy àry, tsy mba teraka tao anaty Rova sy tao anatin’ny harena. Fa tonga Izy tao anatin’ny fahantrana ary fahefan’Andriamanitra no entiny fa tsy an’olombelona.

Ireto Majy ireto izay avy amin’ny tany tsy mpino dia nahalala tamin’ny fahaizany fa mpanjaka i Jesoa. Tsy nahasakana azy ireo tsy hitsaoka Azy sy tsy hanome fanatitra ho Azy ny fahantrana izay hitan’izy ireo tamin’ilay zaza vao teraka. Tanteraka tokoa eto ny voalazan’i Izaia mpaminany fa hanatitra volamena sy emboka ny Tompo ny tatsinanana ary mbola hitsaoka Azy. Nahafaly azy ireo tokoa ny nahita an’ilay Zazakely, mpanjakan’ny hafaliana sy ny fiadanana.

Ny Evanjely anio àry dia manasa antsika mba hiaiky fa i Jesoa no Mesia, tahaka ireto Majy izay avy any amin’ny tany tsy mpino ireto. Toetra tsara azo alain-tahaka amin’izy ireo ny fikelezana aina amin’ny fitadiavana an’i Jesoa. Tsy mba kivy ny nandeha sy ny nanontany izay nisy azy. Rehefa tsy mahita an’i Jesoa isika dia tsy mahita ny fiainana ihany koa satria Izy irery ihany no Mpamonjy. Ny mahita an’i Jesoa dia ny mahita ny lalana mitondra antsika any amin’ny fahamarinana izay manome ny fiainana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...