Alatsinainy 11 janoary 2021 — Herinandro voalohany mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 14-20

Ry kristianina havana ! Nambara tamintsika teto omaly fa hanomboka hanao ny asa nanirahan’ny Ray azy i Jesoa dia natao batemy aloha, ary amin’izao herinandro voalohany mandavantaona izao dia manomboka manao izany asa fitoriana izany tokoa izy. Toy ny nataon’ireo mpaminany rehetra tany aloha dia niantso fibebahana i Jesoa ary miantso ny olona hino ny Evanjely. Tonga ny fotoana, hoy Izy : tsy toy ny tamin’ny andron’ny Jody taloha ny androntsika ankehitriny satria izy ireo dia mbola niandry ny andro fanalana alahelo azy ireo, miandry ny Mesia dia i Kristy ; fa ho antsika kosa efa eo anivontsika isan’andro i Kristy ka tsy tokony hisy andraso andraso intsony fa fotoana izao hibebahantsika sy hinoantsika Azy satria ireo no antoka ahafahantsika mahazo famonjena sy mahazo ny fiainana mandrakizay.

Io antson’i Jesoa ho amin’ny fibebahana io no mbola antso ataon’ny Eglizy mandrak’ankehitriny, mitaona antsika hanova fo ka hitodika amin’ny Ray. Lafiny maro no miandry antsika amin’izany fibebahana izany fa mety hoe ny mahazatra antsika dia ilay sakramentan’ny fibebahana : efa zava-dehibe iny fa mahasahana ny fiainantsika manontolo izany fibebahana izany, koa tsy iandrasana ny fotoanan’ny "avent" sy "karemy" ihany izany fibebahana izany fa isan’andro isan’andro.

Ny antso manaraka dia ny hinoantsika ny Evanjely izay tsy iza, fa Izy tenany no Evanjely ho antsika. Raha niantso tamin’ny feo mahery ny Ray tamin’ny nanaovana batemy an’i Jesoa omaly hoe "Inty ny Zanako malalako izay ankasitrahako indrindra", ary mbola miverina io any amin’ny fiovany tarehy tany an-tendrombohitra, mandidy antsika hoe : "Henoy Izy" dia satria Izy ihany no lalana mitondra antsika any amin’ny Ray araka ny teniny hoe : "Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana". I Joany mpanoratra ny Evanjely moa milaza amintsika hoe i Jesoa napetrany amintsika no fanambaran’ny Ray ny tenany koa voalaza tamintsika teto omaly hoe ny finoantsika ny Zanak’Andriamanitra dia midika ny fibanjinantsika Azy ary antoky ny famonjena antsika.

Etsy an-danin’izany koa, niantso ireo olona hiara-miasa aminy i Jesoa, dia ny mpanarato no nantsoiny voalohany. Mila antsika hiara-miasa aminy Andriamanitra : tsy hoe mpanarato ihany no ilaina hiasa ao amin’ny Eglizy mba hanarato olona fa ny talenta amam-pahaizantsika rehetra dia ilaina mba hifanaovantsika soroka miara-milanja sy tongotra miara-mamindra, hitondrantsika anjara biriky amin’ny fanitarana ny fanjakan’Andriamanitra, dia izany entintsika mamaly ny antso amin’ny manandrify antsika hiara-miasa amin’i Jesoa ho an’ny fanitarana ny Fanjakany.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...