Alarobia 13 janoary 2021 — Herinandro voalohany mandavantaona — Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao. Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 29-39

Ry kristianina havana ! Manohy ny iraka sy ny asa famonjena ny olona i Jesoa izay tsy anavahany na iza na iza fa vonjeny avokoa izay manatona azy sy sendra azy : midika izany fa mila mandray an-tanana ny famonjena antsika isika fa ny famonjena tsy hanatona anao fotsiny eo fa misy ny dingana avy amin’ny Eglizy ary misy koa ny dingana avy aminao. Ireo singa roa ireo mifanatona no mahatanteraka ny famonjena antsika : anisan’ny singa iray mahalavorary ny fifanakalozan-kevitra amin’ilay fampianaran’ny Papa ao amin’ny « Fratelli tutti » laharana 199 io fifanatonana io. Tena ilaintsika izany ary takiana amintsika koa. Eo ihany koa ny hoe izay tsy mangataka na tsy mitady ny famonjena ihany no tsy mahazo fa raha tena katsahintsika io famonjena io dia azontsika miaraka amin’ireo dingana ataontsika mba ahatanteraka izany.

Jereo ko anie ny nataon’i Jesoa, saika amin’ny fotoana rehetra no hiasany hanasitranana ny olona sendra azy. Izany moa dia manamafy ny fampianarany hoe, raha sendra sabata izy no mamonjy, na andro inona na andro inona rehefa mila famonjena ny olona iray dia tokony hovonjena. Maimaim-poana no anaovany izany fa tsy mitady tambiny Izy na mila karama. Zava-niseho tokoa manko izany tamin’ireny fotoan-tsarotra nosedraintsika niaraka tamin’izao tontolo izao tamin’ny alalan’ny valan’aretina Coronavirus ireny ary mbola hanamafisana ilay fanentanana ataon’ny Papa Ray Masina amintsika hoe tokony hotohanana sy ampiana ireo olona mikatroka amin’ireny sehatra fitsaboana ireny. Ny toerana rehetra nalehan’i Jesoa na fantany fa mila izany no nandehanany nanaovany izany asa soa izany.

Fa etsy an-danin’izany koa anefa, dia aoka tsy hadinoina ny adidy voalohany maha kristianina antsika dia ny mivavaka, ary nampianarin’i Jesoa antsika izany tamin’ny Evanjely teo. Na manao ahoana na mana ahoana habetsahan’ny asa dia tokony ho haintsika ny mandamina ny fotoanantsika ka misy ny atokana ho an’ny vavaka. Hanovozana hery sy aim-panahy ho entina mamita iraka manko ny vavaka. Sao isika malaza ho be raharaha ka ny voly vary indray no adino na dia tsy misy aza ny rano izao noho ny orana tsy misy. Na inona na inona tsy vita, ny vavaka tokony tsy maintsy vitaina foana. Misy dia na alahady aza dia be asa foana ka ampandeferina hatramin’ny vavaka alahady. Mampianatra antsika amin’izany i Jesoa ka araho sy ataovy izay ampianariny antsika fa mahasoa antsika izany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...