Alakamisy 21 janoary 2021 — Herinandro faharoa mandavantaona — Araikao amin’ny fanambarànao ny foko ry Tompo, ary ny lalanao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 7-12

Dia izay ambaran'i Masindahy Marka izay no mampiseho amintsika fa iraka tokoa i Kristy, misiônera, natao ho an'ny olon-drehetra. Tsy hoe ireo Jody tao Palestina ihany no nanaraka azy, fa ny olon-drehetra, eny fa na ireo nanohitra Azy aza. Anisan'izany ny fanahy maloto, izay niankohoka sy niaiky teo anatrehany, ka nilaza hoe : "Ianao no Zanak'Andriamanitra". Nirahina hamonjy ny olona Izy, hanohitra ny ratsy, hany ka izay rehetra nanana aretina, dia nifanesika hositraniny. Marina fa gaga ny olona nahita ny nataony, kanefa izay mihitsy no tarigetran'Andriamanitra, nanirahany ny Zanany. I Jesoa dia Mpamonjy, nahay nanetry tena, tsy mila indraindraina na hoe mila dera, izany no nahatonga Azy handrara sy handrahona ireto fanahy maloto, mba tsy hanao izay ahafantarana azy. Toetra takiana mba hananan'ny mpanao ny asan'i Kristy izany ankehitriny. Hanao am-po mandrakariva ny asa anirahana azy, tsy hisatry fanahy ary tsy ho tia sehoseho na voninahitra, fa miaina sy mampihatra mandrakariva ny fanetren-tena. Tsy tia sehoseho na hoe laza, fa miasa amim-panginana amin'ny fanohizana ny asam-pamojena anirahana azy.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...