Talata 26 janoary 2021 — Herinandro fahatelo mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 31-35

Raha isika olombelona, ny iray rà, ny iray fianakaviana ihany no tena mpihavana. Eto amin’ity Evanjely ity kosa itarin’i Jesoa io fianakaviana io. Ireo manao ny sitrapon’Andriamanitra no ambarany fa reniny sy rahalahiny ary anabaviny. Noho izany ny fikatsahana ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fanatanterahana azy no antoka mahatonga ho iray tampo, ho iray fianakaviana Aminy. I Masina Maria no môdely voalohany amin’ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra. Manamporofo izany ny fanekeny ho Renin’i Jesoa ka nanaovany “Eny” teo anatrehan’ny hafatr’Andriamanitra nampitondraina ny Arkanjely Gabriely. Anisan’ny mirakitra io fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra io ny vavaka nampianarin’i Jesoa ny mpianany ary vavaka ataontsika isan’andro dia ny hoe : “Ho tanteraka anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra”.

Anisan’ireo nitady hihaona amin’i Jesoa eto ny reniny sy ireo antsoina hoe rahalahiny ; te hahita Azy sy mba te ho hitany. Rariny loatra izany satria havany i Jesoa, ary voajanahary ny mitia ny havana, ary azo lazaina aza fa mananjara ireto fianakaviana ireto manana Azy. Saingy tsy fihaonana mivantana, fa iraka no nalefan’izy ireo “indreo ao alatrano ao ny reninao sy rahalahinao mitady Anao”. Taratry ny olona tsy mametraka an’i Jesoa ho Ilay Mpamojy izao tontolo izao sy ny olona rehetra ity fihetsika ity, tsy te hitakosona amin’ireo mitangorona mihaino ny tenin’i Jesoa.

Tsy sarotra sy tsy manahirana ny ho tonga ho iray amin’i Jesoa : ho reniny, ho rahalahiny, ho anabaviny, fa ny fahavononana hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy inona izany sitrapon’Andriamanitra fa ny fitiavana Azy amin’ny alalan’ny fitiavam-bavaka ary ny fitiavana ny namana tahaka ny fitiavana ny tena. Tenin’i Jesoa, ary nataony ho didy mihintsy ny mba hifakatiavantsika olombelona, indrindra isika kristiana manara-dia Azy : “Mifankatiava ianareo toy ny itiavako anareo”. Mila fahasahina sy fanapahan-kevitra àry, ny manara-dia an’i Jesoa, fanapahan-kevitra handray Azy ho havana akaiky, vokatr’izany dia ho tonga iray fianakaviana Aminy. Ao anatin’ny Fiangonana no hahatonga antsika ho iray tampo Aminy satria ao no hahatonga antsika ho zanak’Andriamanitra Ray, mpiray lova sy hasambarana amin’i Jesoa Kristy Zanany. Amen !

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...